Actualités

Vidim-bary mitotongana any Alaotra Hiala nenina farany ny tantsaha mialoha ny hitokonana


  • Talata 27 Jolay 2010

Nanao fivoriambe tao amin’ny EKAR Ambatondrazaka ny tantsaha mpamboly vary any Alaotra ny sabotsy 24 jolay teo. Resaka vidim-bary tsy mitsaha-mitontongana ity no nifantohan’ny fihaonana. Tompomarika tamin’ny famoriana ny SEREMPAM (Sendika Rezionalin’ny Mpamboly Alaotra Mangoro), izay nijoro ny 04 mey 2010.

Niverimberina tamin’ny resaka sy adihevitra tao ny hoe : efa betsaka ny antso narahina feon-dakalosy fanairana ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga mba hijery akaiky ny tantsaha indrindra amin’ity vidim-bary ity fa dia tsy mahaleo ny sarany intsony ny vidiny. Ireo sehatra mpampindram-bola madinika toy ny OTIV sy ny CECAM anefa manery tsy misy alaharo ny handoavana ny volany, amin’ny fitakiana trosa. Raofin’izy ireo avy hatrany ny fitaovam-pamokarana toy ny kubota sy ny hafa raha tsy voaloa ara-potoana ny vola nindramina. Resaka vidim-bary ambany ihany anefa no anton’io fahatarana io, satria betsaka ireo manantena fa mba hiakatra ny vidim-bary nefa dia mitokona tsy araka ny nieritreretana azy, nefa ny fe-potoana famerenan-trosa atomotra. Hetahetan’ny tantsaha any Alaotra àry ny tokony hanohanan’ny fanjakana ara-bola (subvention) ireo mpandraharaha miasa eo amin’ny lalampihariana vary. Etsy andanin’izany ny fanentanana ny tantsaha hivondrona anaty sendika hanamora ny fiadiana miaraka ny tombontsoan’ny mpamboly, indrindra ny hifehezana ny vidim-bary. Raha ny soson-kevitra tapaka tamin’io fivoriana ny sabotsy teo io, dia ferana ho 600Ar ny kilaon’ny vary akotry miala eny amin’ny mpamokatra raha toa ka zara fa tafakatra 460Ar izany amin’izao fotoana izao. Mbola lavitrezaka ny tanjona araka izany, koa milaza ny hiala nenina farany amin’ny fitondrana ny SEREMPAM mialoha ny hirosoana amin’ny fitokonana. «Aoka hajanona ny tsindry hazolena», hoy ny fivakin’ny sorabaventy tazana nandritra ny fihaonambe io.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT