An’aliny taonina ireo vary nohafarana avy any ivelany nifanesy tonga tetsy Anosibe sy naparitaka manerana ny Nosy tao anatin’ity volana desambra ity mba hampidinana ny vidim-bary eny an-tsena, hono.
Saika isan-kerinandro dia nahitana fihenany tokoa hatrany aloha ireo vidim-bary nohafarana teny amin’ireo mpamongady ary na ny vary avy eto an-toerana aza dia hita nidina tsikelikely, raha ny tazana teny Anosibe hatrany. Mifanohitra tanteraka amin’izany kosa anefa raha ny hita eny an-tsena satria dia tsy misy latsaky ny 2000 Ariary ny kilaon’ny vary gasy ary na ireo vary tsy avy eto an-toerana izay boriboriana amin’ny hoe : “Riz de luxe” aza dia efa misy mahatratra 2500 Ariary ny kilao. Ny fiandohan’ny herinandro teo moa dia nanentana tany Antsirabe ny minisitra mpiahy an’i Vakinankaratra, Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana, fa 27 Ariary isaky ny kilao isaky ny 100 kilaometatra no tokony ho sarandalan’ireo vary hafarana mandra-pahatongan’izany any amin’ny toerana hitodiany ka tsy tokony hihoatra ny 1600 Ariary ny kilao hita eny an-tsena. Inona ary izany no antony hahasahian’ny sasany manararaotra ary aiza ilay fepetra fanasaziana ataon’ny fanjakana satria raha ny fahitana azy izao dia tsy hidina intsony ilay vidim-bary raha tsy hoe fahagagana angaha, raha izao no mitohy. Ny ravim-bola aza efa misy 20.000 Ariary, hoy ny vazivazin’ireo mpivarotra sasany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.