Actualités

Vidim-bary eny an-tsena Hanomboka hidina amin’ity herinandro ity


  • Talata 05 Desambra 2017

Nampahafantatra tetsy anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana Ambohidahy omaly ny solontenan’ireo fandraharahana vary nahitana mpandraharaha sy ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa azo heverina tsara amin’izay ny hidinan’ny vidim-bary manomboka amin’ity herinandro ity.

 

Hisy ny vary nohafarana milanja 72.000 kilao ho tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina  amin’ity herinandro ity, raha ny fanazavana, ary ho maro ny vary ho tonga.  1000 kaontenera na 26.000 taonina no ho avy amin’ity taona ity, hoy ireo mpanafatra. Manana ny kalitao ara-pahasalamana sy tsy misy atahorana, hoy hatrany izy ireo, izany vary izany ary tsy maintsy miditra amin’io lalana io aloha isika satria manerana ny nosy mihitsy izao ny filana vary. Na Ambatondrazaka izay sompitra aza manafatra eto Antananarivo. Manodidina ny 1580 ariary hatramin’ny 1600 ariary kosa no tokony ho vidin’ny kilao eny an-tsena manomboka amin’ity herinandro ity.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT