Actualités

Victoria Beckham


  • Talata 15 Septambra 2015

Maniry mafy te hampiakanjo an’i Hillary Clinton i Victoria Beckham, vadin’ilay kintan’ny kitra anglisy David Beckham. Marihina fa mifaninana ho kandidan’ny antoko Demokraty amin’ny fifidianana filoham-pirenena amerikanina amin’ny 2016 i Hillary Clinton, vadin’ny filoha amerikanina teo aloha Bill Clinton.


Thaïlande
Vehivavy teratany sinoa iray, 39 taona, no tratran’ny polisy tany Thaïlande nanafina diamondra, mitentim-bidy 245.000 euros tao an-kibony. Diamondra nangalariny tamina toeram-pivarotana firavaka tany Bangkok io no nateliny mba hanafenana azy. Tsy maintsy handalo fandidiana ilay ramatoa hahafahana maka io vato sarobidy io.

Ejipta
Mpizahatany teratany meksikanina miaraka amin’ny mpitaridalana azy ireo miisa 12 no indray maty notifirin’ny polisy ejipsianina omaly. Noheverin’ny polisy ho mpampihorohoro izy ireo raha nandeha nitanjozotra tamin’ny fiara ka dia niharan’ny tifitra variraraka.

Côte d’Ivoire
Nifona tamin’ny vahoaka ivoarianina ny filoha am-perinasa Alassane Ouattara, nandritra ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena any Côte d’Ivoire. Mbola kandida hifaninana rahateo izy. Savoritaka nahafatesana olona an’arivony, ary nitarika ny fitazonana ny filoha Laurent Gbagbo eo anivon’ny Fitsarana iraisam-pirenena nifaninana taminy no niakaran’i Alassane Ouattara teo amin’ny fitondrana, izay notohanan’ny Frantsay.

Hafanana
Mbola hafana toy ny tamin’ity 2015 ity amin’ny 2016 araka ny voka-pikarohana navoakan’ny Ivontoerana anglisy momba ny toetrandro omaly. Mifangaro ny antony ara-boajanahary dia ny fisian’ny tsioka mafana “El Niño” sy ny antony avy amin’ny olombelona mahatonga an’io fiakaran’ny hafanana io.

Sierra Leone
Nanao fanambarana ny mpitondra any Sierra Leone fa nisy olona iray indray matin’ny viriosy Ebola, na dia noheverina ho fongana sy voafehy tanteraka aza ny fihanak’ity valanaretina ity.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT