Actualités

Veterinera Mbola vitsy eto Madagasikara


  • Sabotsy 17 Martsa 2018

Omaly no natao tetsy amin’ny hotel Ibis Ankorondrano ny fanakatonana ilay tetikasa AVSF (Agronome et véterinaire sans frontiers) Asara Fagnatsara.

Tetikasa izay vatsin’ny vondrona eoropeana vola mitentina 316 087,01 Euros na 1 214 847 101 Ar (1Euro=3843Ar) tany amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanan’i Madagasikara. Naharitra 22 volana ity tetikasa ity izay natao tany amin’ny distrika 3 ka ny tanjona dia ny fanatsarana ny fahasalaman’ny biby fiompy amin’ny ankapobeny.  Nisy ny fametrahana ny vaksiny tany ambanivohitra izay nanofanana ireo olona Mpiompy Mpanampy  amin’ny Asa Veterinera (MMAV). 12 herinandro ny fiofanana an-tsoratra sy pratika manaraka ny fiofanana (Approche Par Compétence) ary tsy mila fahaizana ambony be ny fifehezena enti-mikarakara sy mitsabo ny biby.  Olana araka izany ny  fahavitsin’ ny veterinera miasa eto Madagasikara ka izany no nanomezana fiofanana ireo mpiompy mpanampy ireo. Tsy ampy ihany koa ilay 22 volana satria distrika 3 ihany no voakasika amin’ny faritra misy fiompiana maro eto Madagasikara.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT