Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly alakamisy 30 novambra, ho an’i Madagasikara, tetsy Besarety ny fiantombohan’ny hetsika antsoina hoe “Thursday in black”
na alakamisy mainty izay hetsika am-pilaminana natao hiadiana amin’ny herisetra, indrindra, izay mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy. Ambony izay taha izay ho antsika Malagasy, raha ny fanazavana, satria raha 1 amin’ny 3 ireo vehivavy sy ankizy iharan’ny herisetra manerantany dia 7 amin’ny 10, izany hoe mihoatra ny 60%, eto amintsika. Ny rafitra C for C sy ny Madagascar Save, tohanan’ny vondrona eoropeanina no mitarika ny hetsika manomboka eto. Mba ho fiaraha-miory sy fanoherana ny herisetra dia nentanina hanao akanjo mainty avokoa isak’alakamisy ireo izay resy lahatra fa mankaleo ny herisetra ary tsy mety amin’ny fiarahamonina. Nosafidiana hanokafana ny ady kosa ny tetsy Besarety entina ilazana fa tsy ilana fireharehana sy sehoseho akory ny ady amin’ny herisetra fa mila vokatra hamongotra izany hatreny ifotony. Ny teny anglisy, izay fampiasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena no nampiasaina satria izao tontolo izao mihitsy no mila sitranina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.