Actualités

“Vehivavy mizaka tena ara-toekarena” Tetikasa 578 no voaray


  • Alakamisy 16 Febroary 2017

Samy manana ny hanitra ho azy, ka nanahirana ny fitsarana ireo tetikasa miisa 578 voaray tamin’ilay fifaninanana tetikasa “vehivavy mizaka tena ara-toekarena”, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny mponina sy ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF).

 Vita ihany anefa ny sivana voalohany, ka tetikasa miisa 66 no voasafidy hatreto. Amin’ny alalan’ireo indray no hifantenana ireo tetikasa miisa 3 isaky ny faritany, hiatrika ny famaranana hatao eny amin’ny Hotely Carlton Anosy ny 6 martsa 2017 izao. Ho avy ihany koa ny fandefasana mivantana ity fifaninanana natao hanindraindrana ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy ity any anaty fahitalavitra. Tsiahivina fa 20 tapitrisa ariary ny loka ho azon’ny laharana voalohany, 10 tapitrisa ny an’ny faharoa ary 5 tapitrisa ny an’ny fahatelo. Ny 8 martsa mandritra ny fanamarihana amin'ny fomba ofisialy ny andron'ny vehivavy eny Mahamasina no hanolorana ny loka ho an'ireo tetikasa 3 mendrika indrindra. Mandritra izany no hisian'ny hetsika isan-karazany, ka hiavaka ny fanehoan'ny vehivavy ny talentany "Vohitra kanto Fihary", ny "Andriambavilanitry ny kanto Malagasy", hetsika hivondronan'ireo vehivavy kintan'ny hira sy ny zava-kanto eto amintsika, ary ny "Rodobe ho an'ny vehivavy mahefa", arahina famelabelarana sy adihevitra mikasika ny fahaleovantenan'ny vehivavy sy ny anjara adidiny amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT