Actualités

“Vehivavy Malagasy mitaky ny ara-dalŕna” Hifamotoana eny amin’ny “By-pass” anio


  • Talata 03 Aogositra 2010

Hangina ny etsy amin’ny Magro Behoririka anio talata 03 aogositra fa dia hifindra lasy kely eny amin’ny “By-pass” ny rehetra, araka ny fanasan’ny “Vehivavy Malagasy mitaky ny ara-dalŕna”.

Hetsika manokana ity, mifanandrify koa amin’ny fotoam-pialantsasatra, ka dia mba hisintaka kely ny korontan-dava eto an-drenivohitra fa sady haka rivodrivotra no hifampizara vaovao izy ireo. Na izany aza dia heverin’ny mpikarakara fa tsy tokony handalo na ho very fotsiny ny fotoana fiarahana toy izao, fa tokony hanamasahana ara-potokevitra ny mpiray dia ihany koa. Fiaingana miaraka eo Ambohijatovo no hisantarana izany ny maraina, ary fizarana nofonkena mitam-pihavanana kosa no hamaranana azy ny tolakandro.

Navitrika tokoa ny “Vehivavy Malagasy mitaky ny ara-dalàna” tato ho ato izay. Herinandro lasa izay dia nisy ny diabe nataon’izy ireo niala avy ao amin’ny Magro Behoririka namakivaky ny araben’ny fahaleovantena nihazo ny Carlton, nanatitra taratasy tamin’ny filoha Joaquim Chissano, sady lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena ihany koa. Talohan’izay dia nisy ny asa sosialy, toy ny fizarana sakafo masaka nataon’izy ireo, tao amin’ny Magro Behoririka. Nisy koa ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo tao Bel’Air, foiben-toeran’ny ankolafy Ravalomanana, ny 28 jolay 2010 ka nitakian’izy ireo ny fampiharana ny Satan’i Maputo sy ny tovana Addis Abeba izay efa nosoniavin’ireo filohan’ny ankolafy efatra, izay heverina fa olon-dehibe mitana ny teny nomeny. Mitaky ny famelana ireo sesitany politika hiverina malalaka an-tanindrazana sy ny famoahan’ireo gadra politika mba anisan’ny fahatoniana koa izy ireo. Eo amin’ny sehatry ny fanehoan-kevitra mitaky ny hanokafana indray ny Radio Fahazavana sy ny hamoahana am-ponja ireo mpanao gazety ireto «Vehivavy Malagasy mitaky ny ara-dalàna» ireto.
 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT