Actualités

Vehivavy legalista Ho eny amin’ny kianjan’Ambohijatovo


  • Zoma 09 Jolay 2010


Mikasa ny hanao fotoam-bavaka etsy amin’ny kianjan’ny demokrasia, etsy Ambohijatovo, ny vondron’ireo vehivavy legalista, mitaky ny hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Tafapetraka omaly maraina ny taratasy fangatahana alalana ho amin’izany, etsy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny prefet. Araka ny fantatra moa dia anio amin’ny 11 ora no hamalian’ny prefen’Antananarivo izany taratasy izany. Raha tsiahivina dia am-bolana maro izay no tsy nahafahana naneho hevitra na ara-politika na koa nanaovana fotoam-bavaka teo amin’io kianjan’Ambohijatovo io na dia natao ho amin’izany aza no nananganana azy. Araka izany, dia ho hita eo izay ho fanapahan-kevitry ny kaominina sy ny prefet. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT