Actualités

Vehivavy hita faty tany Antsirabe Tapaka ny lohany sy ny rantsam-batany


  • Alatsinainy 31 Jolay 2017

Zava-doza no nitranga tany Antsirabe. Vehivavy manodidina ny 25 taona raha ny tombatombana no hita faty tao Vatofotsy avaratry ny toby fivarotan-tsolika Galana, omaly alahady vao maraim-be ; notapahana ny lohany ary tapaka ihany koa ny tanana aman-tongony.

Norasaina tamin’ny antsy be na famaky raha ny fahitana azy. Ny olona hamonjy fiangonana vao maraina, satria misy ny lamesa amin’ny 5 ora sy sasany no nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anaty fonosana ka nampandre ny mpitandro ny filaminana. Nisy ihany koa ny mpitarika posy nahita tongotr’olona efa notaritarihin’ny alika teo akaikin’ilay toerana nahitana ny razana ka niantso ny polisy ihany koa.Tonga ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary dia nentina teny amin’ny tranom-paty avy hatrany ny razana. Natomboka ihany koa ny fanadihadiana na ho an’ny mpitandro ny filaminana io na ho an’ny mpanao gazety. Fantatra ary fa monina ao Mandikanamana, eo avaratry ny gara Antsirabe ity vehivavy maty voatetika ity. Re ihany koa fa vao avy nisara-panambadiana izy ary herinandro lasa izay dia nanatitra ny zanany roa tany amin’ilay vadiny teo aloha tany Betafo izy. Rehefa nozahan’ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny tranon’ity vehivavy ity dia nahitana vera  sy zavatra hafa izay toa milaza fa nisy fety sy revirevy tao ny sabotsy alina, mialoha ny nahafatesany. Nisy ihany koa ny olona nilaza fa nahita fiara nanipy zavatra toa kitapo teo amin’ilay toerana nahitana ny razana saingy nihevitra moa ny rehetra fa hoe olona manary fako. Maro no nihoron-koditra tao Antsirabe raha nandre sy nahita izao zava-doza izao ka samy nanontany tena hoe : fa dia inona loatra no antony mahatonga olona sahy mamono ary avy eo mbola mandrasarasa olombelona mitovy aminy. Manohy hatrany ny fanadihadiana moa ny mpitandro ny filaminana an-toerana.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT