Vonona hiatrika ny fampandrosoana ny firenena ireo vehivavy sy Renim-pianakaviana ao Toamasina na inona na inona olana sedrainy amin’ny fiainana andavanandro.
Nivoitra io nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy izay notontosain’izy ireo tany an-toerana ny Alakamisy teo notarihin’ny vadin’ny Ben’ny tanana Rtoa Juliana Ratsiraka."Vehivavy mitraka ho modelin'ny firenena, vehivavy mihoatra amin'ny fiainana" io no loha-hevitra nanentanan'ny vadin'ny ben'ny tanana azy ireo tamin’izany, izay nahatratra an’arivony. Diabe namakivaky ny tanana no nisantarana ny hetsika tamin’izany, narahina fijorona vavolombelona mikasika ny fiatrehan’ny vehivavy ny fiainana amin’ny andavanandro. Nofaranana tamin’ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ny lanonana raha podium nandraisan’ireo mpanankato malaza anjara kosa no nanakatonana izany tanteraka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.