Efa tena ‘dépotoirs’ am-bazaha mihitsy ny tanŕnantsika ity. Aiza ka sady manimbazimba ny maha Malagasy sy mametaveta tovovavy sy zazavavy Malagasy ny vazaha monina sy miriorio mameno ny Fokontany maro eto Toamasina.
Raha mihetsika anefa ny mpitandro ny filaminana dia ny masoivohony sy ny fanjakana ao ambony ao indray no miaro azy ireo». Izay no nambaran’ity raim-pianakaviana iray ity, mahita ny hetraketraka sy ny tsy fanajana ny lalàna ataon’ireo vazaha mameno Fokontany ao Toamasina. Raha ny fanazavany hatrany dia “vazaha sac à dos” avokoa izy ireo, ka na ireo namany efa mipetraka ao Toamasina no manafatra sy ipetrahany, na ireo zazavavy na ramatoa hitany amin’ny tranokalam-pifandraisana ara-pitiavana. Ny ankamaroan’ireo vahaza tonga anefa dia efa mihoatra ny 50 taona avokoa, ny vola entiny tsy mahasokatra asa ho an’ny Malagasy sy tsy hahafahany miaina loatra, ka izay no mahatonga azy ireo mameno «gargotte» isan’andro sy mamo lava anaty «Epi-Bar». Raha ara-taratasy kosa, dia betsaka ny lany fetr’andro ijanonana ao Toamasina fa mahay mitsoaka, ka misitrika amin’ireo sakaizany na ny namany mandositra mpitandro ny filaminana.
Ny 03 aogositra teo izao dia efa nisy ny nalefa nody vokatr’izay. Ireo mahita tetika kosa dia mody manao fangatahana fanalavana fetr’andro hijanonana, izay tsy voatery hivaly sy ho azo ary efa lalàna iraisam-pirenena izany, dia ireny no entiny miaro tena mijanona mandritra ny fotoana maharitra, nefa dia misy miaro izy ireo raha roahina miala eto. Ho an’ireo milaza ho mpizahatany, avahana amin’ireo tena mpizahatany manana ny taratasy mikasika izany, dia ny namany na ny «sipany» hitany amin’ny tranokalam-pifandraisana ara-pitiavana no ipetrahany, nefa na ny «certificat d’hébergement» aza tsy ananany.
Izy ireo anefa tsy miditra trano fandraisam-bahiny na voafetran’ny lalàna izany, ka mampitaraina ny mpandraharaha ara-pizahantany satria voalaza fa miakatra ny mpizahatany tonga nefa ny trano fandraisam-bahiny tsy feno akory ny ankamaroany. Ankoatra izay, noho ny izy ireo vazaha ireo tsara mpiaro, dia sady tsy manaja olona indrindra ny mpitandro ny filaminana, no miavona te hametraka fa «mbola zanataniny i Madagasikara» ka afaka manao izay tiany ataony izy tonga eto amintsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.