Actualités

Vazaha mivady mpisoloky Tratra teny Ivato, natolotra ny fampanoavana omaly


  • Zoma 11 Desambra 2015

Teratany vahiny mivady no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny ST (Surveillance du territoire) Anosy teny amin’ny Seranam-piaramanidina teny Ivato ny sabotsy 5 desambra alina lasa teo

 

. Nisy nametraka fitoriana tao amin’ny polisin’ny ST Anosy izy ireo fa nisoloky milaza ho mahavita mandefa olona  any Eoropa.  Teratany vahiny ihany koa ireo voafitaka  izay avy any Bangladesh  sy Brunei. Milaza izy ireo fa nampanantenain’ireto mpivady ireto fa afaka manorim-ponenana any Eoropa ka izy ireo ihany no mikarakara ny antontan-taratasy sy ny fitaterana ary ny fiantranoana aty Madagasikara  mialoha ny handehanana any Eoropa  ka nangalany  6.000 dolara avy ireo olona miisa sivy. Rehefa tonga teto an-toerana ireo voafitaka dia navelan’izy ireo ho lany “VISA” ka voatery alefa mody any amin’ny tany niaviany. Misy fotoana ireto mpivady ireto ihany no manavao ny “VISA” an’ireo olona nosolokiany. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo dia nilaza izy ireo fa misy lehilahy iray any Brunei miara-miasa aminy amin’ny fanatanterahana  izao asa ratsy izao. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo ihany koa dia nilaza izy ireo fa rehefa vola be no azo dia alefa any amin’ny banky any ivelany aloha ilay vola vao alefa eto Madagasikara. Tsy dia mipetraka ela eto an-toerana izy ireo fa mivezivezy any Comores sy Seychelles.  Natolotra ny fampanoavana omaly izy mivady.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT