Actualités

Vazaha maty tany Mahajanga Nisy lehilahy iray voasambotra indray !


  • Alarobia 11 Aogositra 2010


Raha efa nieritreritra ny maro fa tapitra hatreo ny raharaha mahakasika ilay famonoana ho faty an’i Jean Noël Sauvageot tany Mahajanga rehefa voasambotra ny zandary Rambelosalama, dia mbola misy fitohizany kosa ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana rehefa nisy olona hafa voasambotra omaly. Niditra tsimoramora tao amin’ilay sambon’i Jean Noël izay napetraka sy nambenana teo amin’ny seranan-tsambo izy. Raha araka ny fantatra dia saika hangalatra tao. Nisy zandary nahatsikaritra anefa ka avy hatrany dia nisambotra. Mbola nahitana bala tany aminy. Rehefa nohamarinina io bala io dia mitovitovy laharana tamin’ilay nampiasain’ny adzidà Rambelosalama. Niainga teo ny ahiahin’ny zandary fa mety ho niray tsikombakomba tamin’itsy farany io mpangalatra io tamin’ny famonoana ilay vazaha. Omaly ihany dia efa nosokafana ny fanadihadiana momba ity raharaha iray ity. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT