Actualités

Vatsimpianaran’ny mpianatra Voatery mitrosa ny Oniversite


  • Alarobia 05 Mey 2010


Nitohy hatrany ny fitokonan’ireo mpianatra Ankatso omaly. Vao maraina dia efa nisy ireo mpianatra nanakatona ny vavahady fidirany ao amin’ny faritry ny oniversite. Mitaky ny fidinan’ny minisitra Tongavelo Athanase eny an-toerana ireo mpitokona hanambara ny marina satria ambaran’izy ireo fa angady tsy mahatapaka ahitra ny filoha lefitry ny oniversite izay nalefa nifampitafa taminy ny alatsinainy teo. “Mifanipaka ihany koa ny tenin’ny minisitra izay nanome toky fa anio alarobia no hahazoana ny vatsimpianarana roa volana miaraka amin’ny fampitaovana sy ny fanambaran’ny filoha lefitry ny oniversite izay tsy nety nanome andro hivoahan’ny vatsimpianarana”. Nandrahona ny hanamafy hatrany ny fitakiana ireto mpianatra ireto manoloana izany. Etsy an-daniny dia manamafy izy ireo fa fitakiana milamina no ataony fa mpanakorontana no nanatanteraka ny fanimbana fiaran’olona ny alatsinainy teo. May Ambondrona ! Any Mahajanga, manoloana ny fitakian’ny mpianatra dia nanapa-kevitra ny filohan’ny oniversite Rabesa Zafera Antoine fa ny vola tokony handoavana ny karaman’ny mpandraharahan’ny oniversite no hamenoana ny volan’ny vatsimpianaran’ny mpianatra, fa tsy tonga ny vola nampanantenain’i Tongavelo Athanase, Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika tamin’ny 23 aprily. Tany Antsiranana dia re fa voatery nitrosa 60 tapitrisa ariary ny Oniversite nanefana ny vatsimpianarana roa volana sy ny fampitaovana. 

Andry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT