Actualités

Vatsim-pianarana ho any Torkia Nohalavaina ny fametrahana fangatahana


  • Zoma 27 Martsa 2015

Noho ny fangatahan’ireo vondron’ny mpianatra maintimolaly avy any Torkia izay manelanelana amin’ny fikarakarana ny fahazoan’ny mpianatra malagasy ny vatsim-pianarana homen’ny governemanta any amin’ity firenena ity ho an’ny taona 2015

Dia nahemotry ry zareo Tiorka ny fe-potana fametrahana ny antontan-taratasy ho an’izay maniry ny hahazo izany vatsim-pianarana izany ka raha tokony hifarana ny faran’ny volana martsa izao izany dia nohalavaina hatramin’ny tapaky ny volana aprily any, araka ny fanazavana nomen’Atoa Andriambahoaka Briel filoha lefitry ny fikambanana. Nambarany fa noho ny fahasarotan’ny fanangonana ireo antontan-taratasy ataon’ny mpianatra vokatry ny fisian’ny loza voajanahary niseho teto amintsika no naneken’ny governemanta tiorka ity fanemorana ity. Notsiahiviny fa misokatra ho an’ny tanora Malagasy nahavita ny kilasy famaranana ka hatramin’ireo haka ny maripahaizana doctorat ny fahazoana ny vatsim-pianarana. Hiantohana avy hatrany, hoy izy, ny tapakilam-piaramanidina mandroso sy miverina ho an’izay voaray hianatra any Torkia. Hiantohan’ny governemanta any an-toerana avokoa ny trano hipetrahana sy ny sakafo ary ny saram-pitsaboana, ankoatra ny vola fanao am-paosy 400 hatramin’ny 1.000 dolara eo ho eo, isam-bolana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT