Actualités

Vatobe efa mitresaka eny Ambatovinaky Ahiana hirodana sy hitera-doza


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Taorian’ny filatsahan’ilay vato be izay nahafatesana olona maro teny Ampamarinana dia nahazo fanairana avy amin’ny manodidina indray ny alin’ny alakamisy 22 febroary 2018 ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, fa misy bolongam-bato be ahiana hianjera eny amin’ny fokontany Ambatovinaky.

 

Efa mitresaka vokatry ny rano mandemy azy hatry ny ela io vato be io, ary ahiana hikoa tsy ho ela, ary mety hiteraka loza tsy roa aman-tany ihany koa raha tsy hitadiavam-bahaolana sy handraisana fanapahan-kevitra ao anatin’ny fotoana fohy. Tsy niandry ela ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa avy hatrany dia nidina teny an-toerana nanao ny fitsirihana tamin’ny alalan’ny mpamonjy voina sy ny GRC/Prévention (Gestions de Risques et Catastrophes) na ny fitantanana ny loza voajanahary, Fisorohana sy Fiomanana. Nesorina avokoa ireo olona nipetraka teny amin’ny manodidina ary nofefena ireo làlana izay ahiana fa mety hitrangan’ ny loza. Raha araka ny hita teny an-toerana dia tokony hovakiana ny vato be fa kosa miandry ny fanapahan-kevitra avy amin’ny BNGRC (Bureau National de Gestions des Risques et Catastrophes) vao afaka manatanteraka izany. Manentana hatrany ny mponina ireo tompon’andraikitra mba tsy hisalasala hanatona ny fokontany akaiky azy raha toa ka mahatsikaritra tranga toy izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT