Ny zoma 16 febroary tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina no nikodia ilay vato be teny Ampamarinana ka namotika trano 3 sy namono olona 7.
Ny sabotsy 17 febroary maraina vao voasokitra tao anatin’ireo trano nirodana ny vatana mangatsiaka ary tonga teny nijery ny zava-misy ny mpitondra fanjakana notarihan’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly. Nambarany tamin’izay fa misy ny fepetra hentitra tsy maintsy raisina. Ny alatsinainy 19 febroary, mbola misy olona mipetraka ihany eo amin’ilay toerana nirodanan’ilay vato be sy ny manodidina azy, mbola tavela eo ihany koa ilay vato. Nilaza ny BNGRC fa hisy ny lalan-drano atao manokana hamiliana ny rano mba tsy hampalama ny tany ka hampibolisatra indray io vato io ka mety hitera-doza. Afaka roa na telo andro dia hovakiana ny vato, hoy hatrany ny BNGRC ka mpamaky vato no tadiavina hanao azy fa tsy apoaka amin’ny dinamita. Asa raha mahatsapa tsara ny loza mitatao mety haterak’io vato be io ny tompon’andraikitra isanisany sy ny manampahefana fa toa tsy taitra izany, kanefa tena mety ho fahavalo ny fotoana amin’ny tranga tahaka izao, manorana matetika rahateo eto Antananarivo. Mety ho amin’ny alakamisy ve na zoma raha maina ny andro vao hovakiana ilay vato ? Inona no mbola hisalasalana fa tsy hamindrana faran’izay haingana ireo olona 130 amina tokantrano 30 tandindomin-doza ara-bakiteny eny Ambaninampamarinana ? Miandry loza hafa indray ve sanatria ? Mibaribary be amin’ity tranga ity indray ny tsy fahamatorana amin’ny fahasahiana mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny mpitondra fanjakana ary sanatria tena milalao ain’olona mihitsy. Iza indray no homena tsiny avy eo raha sanatria mikodia io vato be io na misy bolongam-bato hafa mirodana tampoka avy any ambony any ?
Fanazavana siantifika
Efa tarazon’ny natiora an’alina na ana hetsiny taona mihitsy aza no nihatra tamin’ny vato, hoy ny manampahaizana nanontaniana. Misy triatra ireo vato eny Ampamarinana ireo ka niditra tsikelikely tao ny rano isaky ny avy ny orana. Miha malemy ilay vato avy eo. Miha malama rahateo ny tany itoerany koa dia mibolisatra izy dia mikodia. Tena atahorana, hoy Rtoa Reine Razafimahefa, manampahaizana momba ny vato eny amin’ny oniversiten’Antananarivo araka ny fanazavany tao amin’ny TVM ny fisiana bolongam-bato hafa mety mbola hitriatra sy hirodana. Ny vato iray tarika amin’ilay vato nianjera ny sabotsy alina teo no tian-kambara amin’izany. Mila fitsirihana sy fanaraha-maso hentitra ny toerana rehetra misy vato eny Ampamarinana, hoy ity manampahaizana ity satria tsy fantatra izay tsy fahatomombanana mety misy. Tsara homarihana fa efa an-tapitrisany taona no nitoeran’ireo vato eny Ampamarinana ireo raha araka ny fanazavan’ny manampahaizana ihany. Tranga efa mampiahiahy mantsy ny fisiana fasika eny Manakambahiny sy poti-bato tazana eny Tsimbazaza izay mikodia tsimoramora avy eny Ampamarinana, hoy hatrany ny fanazavana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.