Nanome baiko ny fisamborana sy ny fanaovana fakana am-bavany ireto mpandraharaha mpanafatra vary “Pakistanais” telo lahy, izay tompon’ny orinasa “Moto Commodities” sy ny “White Rice” ary ilay mpiara-miasa amin’izy ireo eto Toamasina,
ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany taorian’ny fahatrarana ambodiomby ny fikasana hivarotra vary efa lo teo amin’ny tsena anatiny teto amintsika ny alakamisy atoandro teo tao anaty na magazay iray ao Androranga. Raha ny angom-baovao natao dia “fikasana hivarotra vary efa simba sy efa lo midika ho fikasana hamosavy ny malagasy, sy ny fandrovitana ny taratasy fanagiazana nataon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana araka ny didim-panjakana 2015-014 mifehy ny zon’ny mpanjifa sy ny fifaninana ara-barotra, ary ny fikasana hamarotra vary tsy ampy lanja amin’ny tsena”, no heloha vitan’ireto tera-tany “Pakistanais” telo lahy milaza ho mpandraharaha mpanafatra vary ireto. Ho hita eo ny fanapahan-kevitry ny tonia mpampanoa lalana isan’ny mpanenjika amin’izao raharaha izao amin’ny maha solontenam-bahoaka sy ny solotenam-panjakana azy, ny raharaha raha teo tratra ambodiomby ka tsy voatery hiditra mpitsara mpanao famotorana raha ny fomba fiasan’ny fitsarana malagasy; koa handrasana izay didy hivoaka manomboka anio alatsinainy. Fantatra ihany koa izao fa ho tonga any Toamasina anio alatsinainy ny minisitry ny fitaterana, hanara-maso sy hijery akaiky ity raharaha ity ary hanomana ihany koa ny fomba entina hanimbana sy handorana ireo vary 46,2 taonina amin’ny 2.310 lasaka vary efa simba sy efa lo tsy mety hanina intsony ireto. Ankoatra izay dia mbola mitohy ary hihamafy ny fanaraha-mason’ireo ekipan’ny “Task Force” Toamasina amin’ity resaka vary sy ny vidim-bary ity, satria ankoatra ity orinasa “Moto Commodities” sy ny “White Rice” ity dia fantatra ihany koa fa mbola misy orinasa iray ao Mangarano ihany koa manana vary efa simba sy efa lo saingy mbola nogiazana tsotra ao anatin’ilay magazay na tera-tany “Pakistanais” hatrany izay miisa 596 lasaka izy ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.