Actualités

Vary simba nodorana Mbola nifandrombahan’ny olona indray


  • Zoma 15 Desambra 2017

Mampahonena ! Efa tena any an-tsoso-koditra ny fahantrana sy ny fahasahiranana ho an’ny Malagasy ka na fako io na zavatra efa simba dia tsy mampaninona intsony ny mihinana azy.

 

 Niteraka sakoroka teo amin’ny vahoaka tao Tanandava Toamasina ny fandorana ireo vary efa simba sy efa lo natao tany an-toerana ny alatsinainy sy ny talata teo. Vary 1.016 lasaka avy amin’ny “Moto Commodities” moa izy ireto. Tsy may tanteraka ireo vary nodorana sy nopotehina ireo na efa natao tao anaty lavaka sy nodorana tamina solika aza, ka nifandrombahan’ny olona manodidina vao lasa ireo ekipan’ny “Task Force” nanao ny fandorana azy. Mitatao amin’ireo mponina manodidina ireo izany ny olana ara-pahasalamana haterak’ireo vary efa simba sy efa lo tsy azo hanina intsony araka ny fitiliana natao ireo ary tsy may tanteraka ireo. Hita avy amin’izao ihany koa fa tena tsy ampy ilay fandraisan’andraikitra avy amin’ny manampahefana isan-tsokajiny satria tsy mbola may tsara, tsy mbola azo antoka hoe efa tena lasa lavenona tokoa ireo vary lo dia efa lasa ny tompon’andraikitra. Tsy ampy ny fanaraha-maso, be loatra ny tandrevaka dia izao no vokany. Tsy namidy ilay vary lo fa hodorana, dia vary simba sady may indray izany no lasa hohanin’ny olona. Aretina hatrany no tsy maintsy ho vokany.

 


 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT