Hahagagana sy hatezerana ny an’ny fitsarana sy ny ladoany ary ny orinasa tompon’ireo kaontenera miisa 20 misy vary efa ela no lo ao amin’ny resanan-tsambon’i Toamasina, fa raha nivoaka ny didim-pitsarana laharana 2030-AG/17 ny 08 desambra 2017 teo,
milaza mazava ny tokony handorana sy hanapotehana ireo vary 20 kaontenera voamarina fa efa simba sy lo tsy azo hanina intsony, dia nosakanan’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana tamin’ny alalan’ny tale jeneralin’ny varotra sy ny talen’ny varotra faritra Atsinanana izany, tamin’ny fanaovana sakana teo anivon’ny fitsarana ny fampiharana ny didim-pitsarana handorana sy hanimbana ireo vary ireo. Ny fandorana ireo vary simba ireo hataon’ny vadintany no re fa tsy tian’izy ireo fa hoe : anjaran’ny minisiteran’ny varotra irery ihany ny fanaovana ny fandorana zava-pihinana tsy azo hanina intsony eto amintsika. Efa ny taona 2014 ireo kaontenera miisa 20 feno vary ireo no niantsona teo anivon’ny MICTSL, ny taona 2016 no efa hita fa tsy mety hamidy sy hanina intsony ireo vary ireo, izay mahatratra 225 lasaka ny kaontenera iray, taorian’ny fitiliana nataon’ny sampam-panjakana misahana ny fanaraha-maso ny vokatra fihinana eto amintsika nefa ny talata 19 desambra teo vao tapa-kevitra handoro sy hanimba azy ny tompon’ny kaontenera nofain’ireo mpanafatra ny vary tompomarika tamin’ny fampiakarana ny raharaha teo anivon’ny Fitsarana, hahafahany maka ny kaontenerany, nefa izao mbola tratran’ny sakana nataon’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana izao indray.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.