Lo sy simba fotsiny eo anivon’ny magazain’ny seranantsambon’i Toamasina fotsiny ireo “vary mora” milanja 21.005 taonina sy 350kg nohafaran’ny fanjakana Malagasy avy any Azia tao anatin’ny fandaharan’asan’Atoa Rajoelina nandritra ny fotoana nahalafo ny vidim-bary teny an-tsena ireny.
Efa mananiky ny valo volana ny sasany, efa herintaona latsaka ny hafa tamin’ireto “vary mora” ireto. Notsinjaraina amina magazay efatra izy ireo, ka milanja 7.500 taonina eo ao amin’ny magazay voalohany, 9.800 taonina ny magazay faharoa, 2.100 taonina ny fahatelo ary manodidina ny 1.600 taonina eo ny magazay fahefatra. Tonga nijery ireo vary nandaniam-bolam-bahoaka navela ho lo sy simba ireo ny minisitry ny vola sy ny tetibola, Rajaonarimampianina Hery sy ny Tale jeneralin’ny ladoany Razafindramiandra Vola, nandritra ny fandalovany tao Toamasina ny talata 14 aogositra teo.
Natao tsy ankiteniteny ny fandalavon’izy ireo, noho ny famahana ny olana misy eo amin’ny Antenimieran’ny varotra Toamasina (CCIT) sy ny orinasa Mictsl. Ankilan’ireo dia fantatra ihany koa fa mbola misy kaontenera miisa 92 eo ahitana masomboly sy zezika nomen’ny FAO an’i Madagasikara mbola mihitsoka tsy misy mpamoaka eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina. Ny ministeran’ny fambolena teo aloha no tokony ho namoaka azy ity, nefa tsy fantatra marina ny antony fa tsy nisy niraharaha ny fahatongavan’ireo fanampiana avy any ivelany ireo, izay ahiana efa simba sy lo ihany koa ireo masomboly nomena hanampiana ny tantsaha Malagasy ireo. Manampy trotraka izany moa ny kaontenera miisa 03 eo nomen’ny Unicef sy ny OMS ny ministeran’ny fahasalamana ahitana fitaovana maromaro amin’ny fitsaboana sy ny hopitaly ary CSB II ireny, mbola mihitsoka eo anivon’ny seranantsambo tsy misy mpiraharaha ihany koa.
Raha ny tena anton-dian’ireto delegasiona avy eto Antananarivo tonga tao Toamasina ny talata ireto, dia ny famahana ny olana nisy teo amin’ilay fibatana kaontenera nitondrana FIS nataon’ny CCIT teo anivon’ny “Santatra” ny MICTSL. Nomarihan’ny minisitra Rajaonarimampianina Hery fa “tsy ara-dalàna ny nataon’ny CCIT ka tsy maintsy averina tsy misy hatakandro eo anivon’ny MICTSL ireo kaontenera efa navoaka miisa 37 tao. Ny anjara asan’ny “comité ad’hoc” ny CCIT dia ny fampandehanan-draharaha sy manomana ny fifidianana fotsiny, fa tsy afaka manao izao ataony izao mihitsy”. Ny tale jeneralin’ny ladoany Razafindramiandra Vola kosa dia nanamarika, fa “tsy tena misy idiran’ny ladoany ny olana eo amin’ny CCIT sy ny MICTSL. Ny anjarany dia manara-maso ny fandoavana ny volam-panjakana fotsiny amin’ireo entana mbola sous-douanes, sao mivoaka tsy misy taratasy sy tsy mandoa ny hetrany fotsiny”. Ankoatra ireo, dia nahagaga ny minisitra sy ny tale jeneralin’ny ladoany, ny fahitana ireo kaontenera foana sy miova entana ao anatiny, indrindra mikasika ireo kaontenera miisa 85 nohafarana fa “tara” no ho tokony tao anatiny, nefa nivadika ho vatokely raha efa nohamarinina ny 34 tamin’ireo 37 nosokafana. Tsy hay izany na ho inona ny fepetra horaisina mahakasika azy ity, izay nambaran’izy ireo fa handraisana fepetra sy hanaovana fanadihadiana lalina ny mikasika azy ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.