Nanararaotra andro fety ireo mpibizina ka sahy namoaka tsy tamin’ny ahiahy ireo vary 20 kaontenera efa simba sy lo, ary efa namoahan’ny fitsarana didy hodorana saingy nanaovan’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana fanohanana tsy hotanterahina izany araka ny tatitra nataon’ny talem-paritry ny varotra Atsinanana.
Izao anefa dia misy mamoaka an-tsokosoko tao amin’ny seranana ireo vary lo ary mihevitra ny hivarotra izany eny an-tsena, manararaotra izao olana ara-bary eto amintsika izao. Ny kaontenera iray misy gony 225 no tra-tehaky ny zandary tao Tanambao V ny alahady 24 desambra teo tokony tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Efa tafavoaka tao anatin’ilay kaontenera nisy azy ny gonim-bary 150 no izao tratra izao, ka avy hatrany dia noraisin’ny zandary ny andraikitra nanageja ilay trano natao magazay nametrahana ireto vary ; toraka izany koa ireo rehetra teo an-toerana tahaka ity polisy iray tsy nanao fanamiana nanara-dia mba tsy hisy hanakana ilay vary lo saika hanaovana bizina. Etsy an-kilany, mihodinkodina ny fanjakana manoloana ireo Pakistaney telo lahy nanao hosoka vary lo sy simba saika mbola halefany teny an-tsena. Hatramin’izao, tsy mbola miakatra eo anivon’ny fitsarana, efa ho iray volana izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.