Actualités

Vary eny an-tsena Ho feran’ ny fanjakana vidiny


  • Zoma 24 Novambra 2017

nona ho vidina tokana ny vidim-bary eto Madagasikara vary ato ho ato, hoy ny minisitry ny Indostria Chabani Nourdine omaly maraina raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety izy ;

 

Ajanahitsy ity minisitra ity raha nilaza fa ireo mpandraharaha mpanafatra vary no tena maka tombony be loatra ka mampiakatra ny vidin’ny vary eny an-tsena ; isika anefa tsy maintsy manafatra vary satria tsy ampy ny vokatra eto hoy izy ka noho izany tsy maintsy mandray fepetra ny fitondram-panjakana ka izay no anton’ny fihaonana amin’ireo mpandraharaha mpanafatra vary. Ny tolakandro moa avy eo dia Nihaona tamin’ireo mpandraharaha ara-bary sy voamaina etsy Anosibe ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana ny alarobia hariva teo, taorian’ny nihaonany tamin’ireo mpamongady manerana ny Nosy. Anisan’ny noresahan’ny roa tonta ny   fanajana ny lalam-barotra izay tokony hiainga any amin’ny mpanafatra, mandalo any amin’ny mpamongady ary miafara any amin’ny mpanjifa.  Tsy izay anefa no misy eto amintsika, hoy Atoa Rakotomanga Soloalitiana,  tale jeneralin’ny fanjifana sy ny fifaninanana eo anivon’ny minisiteran’ny varotra fa misy hatrany ireo mpanelanelana, antony mahatonga ny vidim-bary tsy hilatsaka mihitsy tonga eny am-pelatanan’ny mpanjifa na dia efa manao izay tratry ny heriny aza ny fanjakana amin’ny fanafarana ireo vary avy any ivelany. Toraka izany koa ireo mpanafatra entana izay nambarany fa mety maka tombony ihany koa ka mampitaraina fatratra ny mpanjifa. Ho an’ireo minia tsy manara-dalàna moa ka tratra dia nomarihiny fa hampiharina amin’izy ireny ny lalàna. Tafiditra ao ny fisavana ny faktiora, ny fametrahana ny  vidin’entana ara-dalàna amin’ny vary hamidy. Ho an’ireo vary nohafarana avy any ivelany moa dia nomarihiny manokana fa tsy maintsy mandalo fitsirihana ary hahazoana taratasy mazava izay vao haparitaka eny an-tsena noho izany tsy atahorana hankarary.Andrasana arak’izany ny hevitra tapaka taorian’ny fihaonana omaly momba ny vidim-bary.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT