Actualités

Varotra solika amin’ny “bidon” Nandoro ny magazay mpivarotra piesy


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Nijoalajoala ny afo omaly tao Ambodisatrana Sambava. Tsy fitandremana amin’ny varotra lasantsy amin’ny “bidon” ao anaty trano no fototry ny loza.

Sady nampitsonika savoka hahosotra amin’ny trano tao amin’ilay trano no mandraraka solika ho an’ny mpividy, hany ka vetivety foana dia nihanaka ny afo. Nifarimbona ny olona. Tao ny namono ny afo, ny hafa namoaka ny entana azo navotana saingy tsy nahovoka nanoloana ny herin’ny afo. Ny kaominina ambonivohitra Sambava rahateo tsy manana irony fiara mpamono afo irony. Any amin’ny ADEMA hatrany no mila vonjy. Sarotra anefa ny fahazoana ity farany, indrindra raha misy sidina tonga ao amin’ny seranam-piaramanidina, hany ka nandravarava ny afo. Naharitra ora roa vao voafehy omaly tamin’ity hain-trano ity, ary lasibatra tamin’izany ny magazay iray lehibe fivarotana kojakojan’ny fiara. Mahazo vahana ny varotra solika amin’ny “bidon” ao Sambava na nisy fotoana efa norarana aza ny fivarotana ivelan’ny toby mpaninjara solika. Niverina ny fivayotana ka dia io mamoa-doza io. Andoavana 2000 Ar ny mameno jerikanina 20 litatra eny amin’ny toby mpaninjara solika ao Sambava. Tratry ny mena miraviravy ireo mpiasa dia ireny no omeny tombondahihy noho ny fiara tonga haka solika. Ny ahatongavan’ny solika eny amin’ny toby mpaninjara no ela dia ritra fa lasa eny amin’ny varomaizina, dia ireny no manjaka.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT