Actualités

Varotra menaka rongony teny Namontana Olona efatra no sarona, vehivavy ny iray


  • Zoma 18 Septambra 2015

Nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy avy ao amin’ny SAG etsy Anosy fa misy olona mivarotra menaka rongony eny Namontana. Nanao ny vela-pandrika ny polisy ny talata 15 septambra teo ka nifanao fotoana teny amin’ny Rond Point Be Namontana tamin’ireo mpivarotra menaka rongony.

 

 Nifanarahana tamin’izany fa 400.000 Ariary no hividianana ny 1 litatra. Tao anaty fiara karetsaka moa ireo mpivarotra tamin’io fotoana io. Tsy nety namoaka ireo menaka rongony anefa izy ireo raha tsy nahita vola. Rehefa nahita izany ireto farany dia navoakany ireo menaka rongony tao anaty bidon 20 litatra miafina ao anaty gony. Niditra an-tsehatra ny polisin’ny SAG nisambotra azy ireo. Rehefa nahita izany ilay saofera dia vaky nandositra. Tra-tehaka tamin’izany ny lehilahy roa sy vehivavy iray ary ny menaka rongony na “Goudron” 36 litatra. Nentina nanaovana fanadihadiana tany amin’ny birao ireto farany. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo dia avy any Ambanja  ireo menaka rongony ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT