Lasa nihamaro dia maro nihoatra ny teo aloha ireo varotra korotam-by isan-karazany sy ny varotra piesina fiara efa niasa na ilay antsoin’ny maro hoe entana “brocanteur” eny amin’ny lalana vao namboarina mba hialana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny amin’iny faritra iny.
Lasa nitombo be koa ny mpivarotra azy ireny ka zary nofinofy sisa ny hoe handeha fiara milamina miala ny amboteazy avy eo amin’ny lalana manomboka ety am-pitan’ny “La Réunion kely” mihazo ny tetezan’i Bekiraro iny fa niverina amin’ny fahatereny taloha indray. Taratry ny gaboraraka ataon’ny olona sy ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny avokoa no mahatonga izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.