Actualités

Varotra “Friperie” Mamelona sy manavotra fianakaviana maro


  • Talata 20 Febroary 2018

Anisan’ny asa iray mamelona fianakaviana maro ny varotra friperie eto amintsika. Ny akanjo no tena be mpanao indrindra noho izy ireny misy mividy hatrany.

 

Ho ana mpivarotra iray etsy Mahamasina, ohatra, dia mahalany fonosana friperie roa isan-kerinandro izy ireo, amin’ireo karazany milanja  40 kg eo ho eo. Akanjon’ankizy sy kiraron’olon-dehibe no tena hataony izay nomarihiny manokana fa amin’ireo marika tena izy  toy ny avy any Eoropa, dia i Frantsa …firenena anisan’ny mampiditra friperie betsaka indrindra eto amintsika. 360.000 Ar ny fonosana friperie iray amin’izao ho an’ny akanjon’ankizy izay hahazoana tombony avo sasaka raha mahay ny mpivarotra iray. 300.000 Ar kosa ny kiraro izay hahazoana tombony betsaka ihany koa, indrindra raha misy kirarom-behivavy amin’ireo karazany hiaka farany sy ireo tennis fanaovana fanatanjahantena. Na izany aza anefa dia fantatra fa misy ihany ny fotoana tsy mampandeha ny varotra friperie, indrindra ho an’ireo mpivarotra tsy mijery marika. Anisan’izany ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra tahaka izao. Manomboka ny volana mey kosa no tena mampandeha azy satria miaka-bokatra ny tantsaha. Na izany aza, fantatra fa mamono ny asa fiveloman’ireo mpanao zaitra an-tsena ity friperie ity. Zara raha misy sisa ireo olona tonga manatona azy ireny, nanomboka ny taona 2004 izay tena nampahazo vahana ny fitobahan’ny friperie teto amintsika. Manginy fotsiny ny fitobak’ireo entana vita Sinoa eto amintsika izay mihoatra lavitra noho ny friperie ihany koa. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ireo mpanao zaitra an-tsena eto amintsika mba hijery akaiky ny asa fiveloman’izy ireo. Na dia izany aza anefa dia manao friperie avokoa ny Malagasy. Roa amin’ny olona telo no manjifa azy ireny.

 

Micka, tovovavy kely 20 taona :  Manao  friperie aho. Ny  hitiavako azy ilay tsy misy  mpanana fa “model unique”. Amin’izay mba  izaho  irery no manana fa ra misy mitovy aza dia tsy mitovy be.

Hasina, tovovavy kely 18 taona : Zah tena tia friperie a ! Sady  tsara ilay izy nefa mora !  Tsy voatery ohatran’ilay  any amin’ny botika lafobe ireny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT