Actualités

Varika eto Madagasikara Ahiana ho ringana afaka 20 taona


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

113 no karazan-gidro Varika misy eto amintsika, izany hoe mamaritra ny 20% ny karazan-gidro misy eto amin’izao tontolo izao kanefa 0,4% amin’ny velaran-tanin’izao tontolo izao no velaran-tanintsika,

 
hoy ny filohan’ny GERP na ny sampana miandraikitra ny mombamomba ireto biby ireto eto amintsika, Jonah Ratsimbazafy. Ny 14 novambra teo moa no fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Varika, izay noraisina teto Antananarivo, fa nisy kosa ny hetsika goavambe tao amin’ny Alliance Française Toamasina nandritry ny 4 andro ho fanentanana amin’ny fiarovana izany ny faran’ny herinandro teo. Ny 90%-n’ny ala iveloman’ity harena iraisampirenena izay tsy misy afa-tsy eto amintsika ity dia saika ahitana fahapotehany avokoa ary ahiana mihitsy ny haharingana tanteraka ny Varika eto afaka 20 taona, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Fauna and flora group. Antso avo, araka izany, no ataon’ireto mpiaro ny harem-pirenena ireto amin’ny mpitondra sy ny vahoaka mba hitondra ny anjara birikiny avy amin’ny fiarovana ireo harena ireo amin’ny alalan’ny fanafoanana ny doro tanety sy fihazana ireo biby.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT