Namono olona indray ny varatra raha mba vao nilatsaka ny orana tao Antsirabe manodidina.
Mpianaka no indray maty dia raim-pianakaviana iray 40 taona sy ny zanany lahy izay vao 8 taona monja. Tao Ambohimandroso, fokontany Tsarafiraisana, kaominina ambanivohitra Ambano, distrikan’Antsirabe II no nitrangan’ny loza ny tolakandron’ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany. Nikija dia nikija moa ny orana sady narahin-kotroka ny nanodidina an’Antsirabe io talata tolakandro io ka tao anatin’izany indrindra no nitrangan’ny atambo tao an-trano. Nambaran’ilay renim-pianakaviana fa tao an-trano avokoa izy dimy mianaka sy ny olona roa hafa mpiara-monina amin’izy ireo tamin’io fotoana io. Samy teo am-pilalaovana karatra izy rehetra no niditra tampoka avy any amin’ilay efitrano ao ambony rihana ny varatra. Nambaran’ilay renim-pianakaviana fa rehefa avy nandalo tao ambony rihana sy nanakorontana ny fandriana tao ilay izy dia nidina nitety ireo efitra tao ambany indray sy nanakorontana ary toy ny nisava ny vilany mihitsy, nialoha ny niantefany tany amin’ireo olona rehetra tao ireo. Vokany, maty tsy tra-drano izy mianaka. Mbola manaraka fitsaboana kosa ireo olona roa hafa niara-voa tamin’izy mianakavy tao amin’ilay trano. Salama tsara kosa ilay renim-pianakaviana sy ireo zanany roa lahy hafa. Vaky tanteraka vokatr’io fandalovan’ny varatra io ihany koa ny valin-drihana sy ny rindrina ary ny tolanam-baravarana rehetra tao amin’ity tokatrano ity. Marihina moa fa mpamboly sy mpanao biriky no asan’izy ireo ary dia maty vady tampoka sy namoy zanaka ilay ramatoa. Raha tsiahivina, efa namoizana ain’olona 8 indray niaraka ihany koa ny varatra tao Ibity tamin’iny fisasahan’ny volana oktobra lasa teo iny, ary dia izao nitohy izao indray.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.