Fanadiovana : Mitohy hatrany ny fanalan’ny kaominina Antananarivo renivohitra ireo mpivarotra tsy ara-dalàna eny amoron-dalana. Mpivarotra dimy tonta no saron’ny polisin’ny tsena nivarotra teny Antsahavola omaly tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Mazda iray miloko manga no nitondra ireo polisy ireo ka tsy dia tsikaritry ny manodidina loatra. Noraofin’izy ireo tamin’izany ireo karazan’entana maro toy ny atin’akanjo tao anaty sobika be…
Mifanilika : Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny polisy sy ny lehiben’ny Faritra DIANA taorian’ny daroka nahafatesana mpianatry ny oniversite ny 27 aprily sy ny fitifirana naharatrana olona enina nandritra ny fihetsiketsehan’ny mpianatra ny ampitson’io. Mifanilika andraikitra ny manampahefana tao an-toerana teo anatrehan’iny tranga nampivarahontsana ny mponina tao Antsiranana iny.
Fampitaovana : Notoloran’ny Faritra Analamanga môtô miisa efatra sy milina fanoratana roa ny Polisim-pirenena. Halefa any amin’ireo Commissariat de Police ato amin’ny Faritra Analamanga ireo môtô ireo, ny milina fanoratana kosa dia nomena hampiasain’ny Service Central des Affaires Criminelles na ny BC teo aloha.
Fanomezana : Notoloran’ny mpianatry ny oniversite fanampiana toy ny akanjo 14 baoritra, vary telo lasaka amin’ny 50 kg, lelavola iray hetsy Ariary sy kojakoja maro samihafa ny fikambanana «Les enfants du soleil» eny Andrambato Itaosy, mitaiza sy manabe ireo zaza mirenireny eny amoron-dalana. Ireo ankizy ao amin’ny taona fahatelo, lalam-piofanana fitantanana misalotra ny anarana «Raitra» no angady nananana sy vy nahitana izany.
Fandriampahalemana : Hikarakara atrikasa momba ny fandriampahalemana sy ny ady atao amin’ny herisetra ny fikambanam-behivavy ACAT Madagascar. Hatao in-telo mihaona izany ka ny andiany voalohany dia hotontosaina ny 13 sy ny 14 mey ho avy io. Ny 20 sy ny 21 mey ny andiany faharoa ary ny 27 sy ny 28 mey kosa ny andiany fahatelo. Ankoatra ity atrikasa ity dia hisy ihany koa aorian’ireo ny fanofanana vehivavy 50 isa indroa miantoana hahazoan’ireto farany manatontosa asa mahaleo tena.
Fanampiana : Notoloran’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny Faritra Analamanga “panneau solaire” sy kianja fanaovana basikety ireo mpianatra eo anivon’ny Ceg Masindray. Tsy diso anjara tamin’izany ireo mpampianatra FRAM sy mpampianatra karamain’ny fanjakana izay samy notolorana iray hetsy Ariary isan-tsokajiny. Avy amin’ny Minisitera manokana ireto fanampiana farany.
Fampirantiana : Tontosaina etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely hatramin’ny alatsinainy lasa teo ilay fampirantiana sary karakarain’ireo vondron’ny tanora maro samihafa. “Fanandrina” no anarana nampitondraina ny hetsika, hifarana ny 16 mey ho avy io. Ity no fampirantiana andiany voalohany nokarakarain’ireto andiana tanora ireto.
Hetra : Misy fiantraikany hatrany amin’ny fandoavan-ketra eny anivon’ny kaominina ny krizy. Mihisatra amin’ny fanatanterahana izany ireo mponina ao amin’ny kaominina Talatamaty amin’izao fotoana izao. Zara raha mahita vola handoavana ny karaman’ny mpiasa ny ben’ny tanàna vokatr’izany ankoatra ny fanampian’ireo malala-tanana. Tsiahivina fa teo amin’ny 65 % teo ny tahan’ny fampidiran-ketra tao amin’ity kaominina ity tamin’ny taon-dasa.
Asa fanaovan-gazety : Miomana amin’ny fananganana ny birao hitantanana ny fikambanan’ny mpanao gazety any Mahajanga ireo mpanao gazety namana any an-toerana. Miisa 40 izy ireo izay misandrahaka amin’ny vata fandrenesam-peo sy ny vata fahitalavitra ary ny gazety an-tsoratra. Samy manana ny heviny kosa izy ireo mikasika ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.
Foara : Hotontosaina eny amin’ny Centre de Conférence International eny Ivato hanomboka ny alakamisy 06 ka hatramin’ny 09 mey ho avy io ny foire international de Madagascar andiany fahadimy. Tranoheva 120 isa no handray anjara amin’izany ka anisan’ny hisongadina indrindra ireo orinasa frantsay miisa 70.
Zanak’i Brickaville : Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifampiarahabana nahatratra ny taona, notontosan’ny zanak’i Brickaville, notarihin’i Lahady Samuel. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny sekretera nasionalin’ny antoko politika Arema teo aloha i Pierrot Rajaonarivelo izay nanantitrantitra fa atomboka amin’ny mpiray fiaviana ny fampihavanana mialoha ny hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena.
Aretina sohika : Nankalazaina omaly teto amintsika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny aretina sohika. Teny amin’ny Solimotel Anosy no nanatontosana izany nandritra ny 24 ora. 1 ka hatramin’ny 12 % ny salan’isan’ireo olona voan’ity aretina ity eto amintsika raha laharana faha-12 amin’ny aretina mahafaty izy. 50.000 isan-taona kosa ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny aretina maneran-tany.
Antsirabe : Homarihina any Antsirabe, Faritra Vakinankaratra anio alarobia 05 mey ny andron’ny mpampivelona. Fotoam-pivavahana arahin’ny fizaham-pahasalamana sy fampirantiana no handravahana ny fotoana miompana amina lohahevitra hoe : Reny arivo, zaza arivo. Ao amin’ny hopitaly Antsirabe atsimo akaikin’ny tsena no hanatontosana ny hetsika.
Fiofanana : Nomena fiofanana manokana ireo tompona hotely sy tompona bara ao Toamasina manoloana ny ady atao amin’ny otrikaretina Vih Sida. Izy ireo mantsy no heverina fa fitaovana voalohany hanentana sy hampirisika ireo namany hafa. Tompon’antoka tamin’izany ny Faritra Atsinanana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Zaitra : Mitombo isa ireo olona liana amin’ny fianarana zaitra eto an-drenivohitra. Tsy hanavahana izany na vavy na lahy ankoatra ireo tanora tovovavy mahazatra mankafy manokana ny lamaody. Ho an’ny sekoly fianarana zaitra ECCOVA manokana dia tena hita taratra izany araka ny fanazavana nomen-dRazanamanalina Volana tale jeneraliny.
Fitaterana : Anisan’ireo kaompaniam-pitaterana azo antoka indrindra amin’ny fiarovana ny ain’ny mpandeha ny Air Madagascar. Toraka izany koa ny kalitaon’ny tolotra omen’ny mpanjifa sy ny fitaovana hampiasaina. Nisongadina izany nandritra ny fihaonan’ny tompon’andraikitra tamin’ny mpanao gazety omaly.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.