Nihaona : Nitohy tao Ambohitsorohitra ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny foloalindahy sy i Andry Rajoelina. Nidinika ny sori-dalana vaovao hivoahana amin’ny tetezamita izy ireo. Amin’ity anio ity no fantatra fa hisy ny fanambarana iraisan’ny roa tonta. Hisy ihany koa ny fanatonana sy fifampiresahana amin’ny firehana samihafa hahafahana mamaritra ny fomba hanatanterahana fifidianana malalaka sy mangarahara hidirana amin’ny Repoblika faha-4.
Nihaodihaody : Fiara maromaro an’ny Polisim-pirenena, nitombo isa tsy toy ny isan’andro no nihaodihaody eran’Antananarivo halina. Tsy fantatra mazava ny antony, na fanamafisana ny fitandroana ny fandriampahalemana na misy feo hafa mandeha any aho any. Manaitra ihany mantsy ny mahita fa hatramin’ireo manamboninahitra polisy no mirotsaka an-tsehatra ary manao fanamiana toy ny olona hianady ombam-basy izy ireo.
Vahaolana : Nanambara ny heviny mikasika ny zava-misy hiainan’ny firenena ankehitriny ny Jeneraly Ramakavelo. Navoitrany tamin’izany fa tsy misy afa-tsy ny fampiasana ny rafitra CMDM izay efa misy ihany no hany vahaolana, rafitra hanara-maso ny andraikitra sahanin’ny governemanta iraisana. Tsy tokony hoterena hiditra amin’io governemanta io ny miaramila, hoy ihany izy rehefa tsy sitrany.
Manohana : Manohana ny fanambaran’ny manamboninahitra lefitra zandary sy ny tafika ireny ny vondron’ireo parlemantera, ahitana ireo olom-boafidy, toa ireo solombavambahoaka sy loholona nofidiam-bahoaka. Ho tombontsoan’ny firenena dia tokony hotohanana ireo manambonihaitra lefitra ireo, hoy ny biraon’ity vondrona ity. Mifanojo tanteraka amin’ny hetahetan’izy ireo amin’izay heverin’izy ireo ho famahana ny krizy, hiverenan’ny firenena amin’ny ara-dalàna. Tsy an’olon-tokana na olom-bitsy i Madagasikara, hoy izy ireo fa an’ny Malagasy ary dia iarahana ny mitantana ny tanindrazana.
“Freedom day” : Feno 16 taona ny 27 aprily teo nahafahan’i Afrika Atsimo teo ambany vahohon’ny fanavakavaham-bolonkoditra, saingy omaly vao nankalazana izany noho izy nifanindry tamin’ny dia tany Pretoria. “Freedom day” no iantsoan’ny Afrikanina Tatsimo iny andron’ny 27 aprily iny satria 16 taona lasa izay, dia tsy nisy intsony ny mainty sy fotsy tany amin’ity tanin’i Mandela ity.
Miparitaka : Raikitra indray ny fingonongononana any an-dakazerina any amin’izao fotoana. Araka ny feo mandeha dia ny fihetsik’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny foloalindahy no anton’izany. Tsy ankasitrahan’ny miaramila amin’ny ankapobeny mantsy ny fironan’ireo manamboninahitra ambony any amin’i Andry Rajoelina, izay hita mibaribary amin’izao fotoana. Raha ny resaka nandeha hatramin’ny alatsinainy lasa teo dia misy indray ny trakta manomboka miparitaka, izay mitaky ny fametraham-pialan’ny CEMGAM, ny jeneraly Ndriarijaona André.
Fanadiovana : Raikitra ny asa fanadiovana ny tsenaben’Isotry. Nanomboka afak’omaly izany, niarahan’ny mpiandraikitry ny tsena sy ny mpivarotra. Nisy nandritra ny hetsika ny fanalana ny loto rehetra nivangongo narahin’ny fandrarahana fanafody famonoana bibikely toy ny voalavo. Mikasika ny toerana handraisana mpivarotra vaovao kosa dia nanambara ny lehiben’ny tsena fa efa feno tanteraka ny toerana. Ny hany imasoan’izy ireo sisa ankehitriny dia ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny hitandroana ny fandriampahalemana anatiny.
Nifarana : Niato nanomboka ny talata teo ny fitokonana nataon’ireo mpianatry ny oniversite-n’Antsiranana mikasika ny fitakiany ny vatsim-pianarana sy ireo fampitaovana maro samihafa. Efa nivaly avokoa mantsy ny fangatahan’izy ireo, araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra maromaro sy ny filohan’ny oniversite any an-toerana. Na izany aza tsy hamela mora foana izay nahavanon-doza tamin’ilay namany namoy ny ainy izy ireo. Mangataka amin’ny Minisitera ihany koa izy ireo mba tsy hianatra rahampitso zoma ho andron’ny fisaonana.
Maty tsy tra-drano : Tovolahy iray tokony ho 35 taona teo ho eo nitondra Scooter no maty nofaohin'ny Fiara 4x4 tamin'iny lalam-pirenena faha 7, tamin'ny Route d'Ambositra iny ny marainan'ny Alarobia 05 mey teo. Nitsoaka ilay fiara rehefa avy nandona ilay tovolahy ary tsy mbola hita hatreto fa ilay tovolahy efa nentina teny amin'ny tranom-paty niandry izay havany haka azy. Potika tanteraka ilay scooter netin'ilay tovolahy.
Fitsaboana : Hanao hetsika fitsaboana nify maimaimpoana any Bezaha, distrikan’i Betioky Atsimo ny 26 ka hatramin’ny 28 mey ho avy io ny fikambanana tsy miankina iray any Toliara. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ny hetsika, ho fanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Hanome tanana ity fikambanana ity ihany koa ny fikambanan’ny terak’Antanosy.
Fiofanana : Nanome fiofanana nandritra ny roa andro ho an’ireo mpianatra ho “inspecteur de douanes” ny Enam sy ny Cnfa. Niarahany tamin’ny Bianco ny fanatontosana izany hanafoanana ireo karazana kolikoly misy eny amin’ny fadintseranana. Anisan’ny lehibe sy goavana indrindra amin’izany ny fampiakarana na fampidinana ny haba aloa amin’ireo entana mivoaka ao amin’ny seranana.
Misokatra : Nahazo Antenimieran’ny varotra vaovao ny any Ambovombe, Faritra Androy. Ny talata 04 mey no nosokafana naseho vahoaka ny fotodrafitrasa, natrehin’ny Minisitry ny varotra Rakotonirina Jean Claude. Ny indro kely anefa dia tsy fantatry ny mponina any an-toerana akory ny antom-pisian’ity antenimieran’ny varotra ity sy ny andraikitra sahaniny ka voatery nampahafantarina tamin’ny alalan’ny varavarana misokatra.
Fampianarana : Misy fiantraikany hatramin’ny toeram-pianarana ny krizy misy eto amintsika. Manodidina ny 50 % ankehitriny ny tahan’ireo mpianatra tsy mahaloa ny saram-pianarany intsony eny anivon’ireo sekoly lehibe telo eto an-drenivohitra nanaovanay fanadihadiana. Voatery mizaka ny tsy eran’ny aina vokatr’izany ny tompon’ny sekoly, indrindra ireo manana foto-pisainana tsy handroaka ny mpianany amin’izao ankatoky ny fanadinana fifindran-kilasy sy ny fanadinana ara-panjakana izao.
Tsenabe : Hifarana rahampitso zoma 07 mey rehefa naharitra roa andro ilay tsenabe Fivoarana, tontosaina any amin’ny kaominina Miarina Avaratra, Faritra Amoron’i Mania. Fokontany 41 isa no indray miara-misalahy amin’izany izay manana tanjona hampiakatra avo ny toe-karen’ny faritra. Marihina fa tsy mbola manana herinaratra ity kaominina ity na dia manana renirano maromaro azo hitrandrahana izany aza.
Fampihorohoroana : Miantso ny fitondram-panjakana handray andraikitra amin’ny asa fampihorohoroana nihatra tamin’ny fianakaviany ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana Rarivato any amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy Amoron’i Mania. Nandritra ny fandalovan’ny Minisitry ny fitsarana tany an-toerana no nanaovan’izy ireo ny fangatahana.
Miparitaka : Taorian’ireo karazam-bisikoitra maro lany daty niparitaka teny an-tsena dia tazana eny rehetra eny indray amin’izao fotoana izao ny fromazy mitovy habe amin’ny “La vache qui rit”, amin’ny vidiny roa 300 Ar. Hentanina araka izany ny rehetra mba samy ho mailo, indrindra ireo sodokan’ny zava-mora mba ho fitandroana ny fahasalamana.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.