Vono olona : Vono olona no voalaza fa nahatonga ny havitsian’ny mpifidy tany amin’ny distrikan’Ambovombe Androy ny 17 Novambra lasa teo, nanatontosana ny fitsapan-kevi-bahoaka. 10 % monja ireo olom-pirenena feno 18 taona tonga nandray anjara tamin’izany. Ankoatra ity vono olona ity dia nanambara ihany koa ireo tomponandraikitra any an-toerana fa noho ny kere no mahatonga ny mponina tsy hazoto handray andraikitra intsony ka tokony hojerena haingana.
«Vedette rapide» : Mangataka «vedette rapide» ireo mponina any amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihiana, Faritra Menabe hahafahany mifandray amin’ireo faritra manodidina azy. Mahatratra 4 ora mantsy no hanaovan’ny fiara tsy mataho-dalana toy ny 4X4 ny lalana mirefy 90 Km noho ny haratsian-dalana.
Rano fisotro madio : Hovatsiana rano fisotro madio ireo mponina any amin’ny Fokontanin’i Namakia, distrikan’Antsiranana I. Nandritra ny famaranana tamim-pomba ofisialy ilay «Festival des mangues» notontosaina tany an-toerana no nahafantarana izany omaly. Hovatsiana fitaovana ihany koa ireo tantsaha mpamokatra hahafahany manatsara ny kalitaon’ny vokatra manga.
Kianja manara-penitra : Hahazo kianja fanaovam-baolina manara-penitra ny any amin’ny distrikan’i Maevatanana. Ao amin’ny kianjan’Ambatofotsy no hanorenana ny fotodrafitrasa mirefy 30 amin’ny 10 metatra. Tompon’antoka amin’izao asa fanamboarana ireo ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany.
Hain-trano : May kila forehitra ny baraziben’i Brickaville afak’omaly sabotsy tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Trano 167 tafo no tsy nisy noraisina vokatr’izany raha 19 hafa no voatery narodana. Olona manodidina ny 531 isa no tsy manan-kialofana ankehitriny araka ny vaovao voaray. Mitentim-bidy an-jatony tapitrisa ny zavatra simba.
Hain-tany : Mananontanona eny amin’ny faritra atsimondrano eny amin’ny kaominina Soalandy Ankadivoribe iny ny hain-tany. Hatramin’izao mantsy dia tsy mbola misy mamafy vary vary, na na namafy fa maina, ny mponina. Isan-taona anefa toy izao efa maitso ny ketsa. Tsy misy ny rano. Vaky entana ny tanimbary. Na ny voly anana izay anisan’ny foto-piveloman’ny eny an-toerana aza ringitra noho ny tsy fisian’ny rano hanondrahana azy. Any amin’ny 20 metatra mahery ny vovon’ny olona, nefa tsy misy rano intsony fa ritra. Miraviravy tanana izy ireo, araka izany. Ny fotsimbary anefa misondrotra andro aman’alina ny vidiny.
Cote d’Ivoire : Ahiana mafy ny mety hoavin’ity firenena iray ity taorian’ny nivoahan’ny voka-pifidianana filoham-pirenena natao tany an-toerana. Nitsimbadika ambony ambany mantsy ny vokatra araka ny vaovao voaray izay mbola nampandany ny filoha am-perinasa ankehitriny, Laurent Gbagbo, ihany. Miantso ity filoha ity moa ny Firenena Mikambana mba tsy hiroso amin’izao fandraisana fahefana ao anatin’ny hosoka izao raha efa vita afak’omaly sabotsy kosa ny fianianana nataony.
Manohana : Olona 300 isa voasokajy ho isan’ireo sahirana ara-pivelomana no tohanan’ny ministeran’ny mponina any amin’ny distrikan’i Mahajanga I. Hofanina ho matihanina amin’ny asa tanana maro isan-tsokajiny ireto olona ireto hahafahany mamelon-tena ara-dalàna. Maro amin’izy ireo no efa mifandray mivantana amin’ireo mpamatsy vola toy ny otiv sy ny Microcred ankehitriny.
Sekoly : Velon-taraina noho ny tsy fahampian’ny sekoly ireo ray aman-drenin’ny mpianatra any amin’ny distrikan’Ikongo. Efitrano fianarana iray no hivangongoan’ny mpianatra miisa 80 araka ny vaovao voaray. Manampy trotraka izany ny tsy fahampian’ny mpampianatra. Mpampianatra iray mitazona taranja efatra koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny fitondram-panjakana.
Fahasalamam-bahoaka : Tsy mbola miasa mandraka androany ilay «Bloc opératoire» toerana fandidiana any amin’ny dsitrikan’Ikongo noho ny tsy fisian’ny rano. Voatery miakatra any amin’ny distrikan’Ifanadiana na Fianarantsoa ireo vehivavy saro-piterahana noho izany ka tsy vitsy ireo mamoy ny ainy eny am-pandehanana.
Afghanistan : Tonga nitsidika ireo miaramila Amerikanina miasa any amin’ny faritra Afghanistan ny filoha Barack Obama ny faran’ny herinandro teo. Nampahery iretsy voalohany sy nampanantena ny hanome fitaovana vaovao sy raitra no anton-dian’ity filoha ity tany an-toerana. Tsiahivina fa nahatratra 1400 ireo miaramila amerikanina namoy ny ainy tany amin’ity faritra ity ny taona 2001.
Mikorontana : Mitohy ny fikorontanan’ny fifamoivoizana any La Frantsa. Noho ny fivangongoan’ireo vongan-dranomandry eran’ny lalana no mahatonga izany izay marihina fa mbola hitondra hatsiaka mihoatra noho ny tamin’ny herinandro any amin’ity faritra ity.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.