Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 03 Desambra 2010


Nihaona : Nihaona nandritra ny ora iray mahery tamin’ny Dr Simao, nitarika ny iraky ny SADC teto Madagasikara ny filoha nasionalin’ny antoko Monima sady praiministra voalohan’ny FAT, Monja Roindefo. Tao amin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo no nisian’ny fihaonana. Nandritra izany no nizaran’i Monja Roindefo ny fomba fijeriny ny zava-misy sy nandrosoany soso-kevitra. 

Fanadiovan-tanàna : Raikitra ny asa fanadiovan-tanàna ao an-drenivohitr’Antsiranana. Voakasik’izany manokana ireo harona “sachet” miparitaka eny rehetra eny sy ny tavoahangy plastika. Omena fotsimbary dimy kapoaka izay olona mahafeno gony iray ho fanampiana azy ireo sy hahafahana manadio ny tanàna. Marihina moa fa havadika akora entina hanamboaran-dalana hanaovana rarivato ireto “sachet” sy tavoahangy plastika ireto.
 
Dibo-drano : Saika dibo-drano avokoa ireo toerana iva teto an-drenivohitra afak’omaly alarobia na dia vao sambany aza no nisy ranon’orana nilatsaka indray tato anatin’ny tapa-bolana. Voakasik’izany iny faritr’Andranomanalina sy ny manodidina iny izay tena mampitaraina ny mponina tokoa.
 
Venezoela : Olona 21 no indray namoy ny ainy omaly alakamisy tany Venezoela vokatry ny tondra-drano nateraky ny ora-nikija sy ny fihotsahan’ny tany. Andrasana ny fandraisan’andraikitry ny tomponandraikitra araka ny vaovao voaray.
 
Aostralia : Tany amina hektara maromaro no indray kilan’ny afo nateraky ny doro tanety tany Australie omaly alakamisy. Tanàna 50 kilometatra manodidina tao an-drenivohitr’i Perth no lasibatra, araka ny vaovao.
 
Fitsarana : Hisokatra ny 06 Desambra ho avy io ao amin’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Maintirano ny fanombohan’ny taom-pitsarana ady heloka sy ady heloka bevava tsotra raha tsy mbola nisy izany teo aloha. 34 isa ireo raharaha ady heloka tsotra hiakatra amin’io andro io raha tsy latsaka izany ny ady heloka bevava.
 
Mpiasam-panjakana : Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo tanora mpianatra vonona ny hiditra ho mpiasam-panjakana any amin’ny distrikan’i Maintirano. Fiantsoana 69 isa no efa naparitaka ho an’ireo izay efa nisoratra anarana tamin’ny taon-dasa araka ny angom-baovao azo.
 
Milin-kajy : Mila tsy haharaka, araka ny vaovao azo, ireo mpivarotra milin-kajy ao an-drenivohitr’i Toamasina. Hifandrombahan’ireo mpandraharaha tonga maka lodsia any an-toerana mantsy izy ireny hanafainganana ny kaonty hatao. Eo an-daniny anefa mbola somary manano sarotra ny fitaterana mihazo ny renivohitra noho ny tahotr’ireo taxi-brousse ny barofo hataon’ireo jiolahy mpanakan-dalana.
 
Fitaterana : Hohatsaraina ny lafiny fitaterana any amin’ny distrikan’i Sainte-Marie na an-dranomasina izany na an-tanety, hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Nandritra ny fitsidihana nataon’ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo mivady tany an-toerana no nahafantarana izany omaly alakamisy.
 
Fampitaovana : Nanolotra tafo ho an’ireo sekoly ambaratonga fototra miisa valo ao aminy ny kaominina maitso ao Amboditavolo, distrikan’i Vatomandry omaly alakamisy. Fampitaovana ho fandraisana anjara amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fanabeazana, araka ny fantatra, hitsinjovana ny taranaka amam-para.
 
Ady amin’ny SIDA : Fizarana fimailo sy ireo karazam-panafody hisorohana ny vohoka tsy iriana, fitilian-dra maimaimpoana. Ireo no nanamarihan’ny mponina tany amin’ny distrikan’i Vohipeno ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny SIDA ny alarobia fiandohan’ny volana Desambra.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT