Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 02 Desambra 2010


Fampandrosoana : Hotontosaina manomboka anio alakamisy hifarana rahampitso zoma ao an-drenivohitr’Andapa ilay «Forum» lehibemikasika ny asa fampandrosoana handraisan’ireo fikambanana sy ONG maro samihafa. Hisy mandritra izany ny fampirantiana sy fampahafantarana ny ezaka tontosain’ireto fikambanana sy ONGireto hahafahana misarika ny hafa handray anjara feno amin’ny asa fampandrosoana. 

Lavanty : Nandefasan’ny ministeran’ny fambolena taratasy ny Tiko mba hialany amin’ny tany nisy ny Tiko Farm tao Antsiranana. Omaly no tapitra io fe-potoana io. Nisy koa ny fanaovana lavanty ireo amin’entana nitarazoka tao nampiarahina tamin’ireo entana nihitsoka fotoana maro tao amin’ny serananan-tsambon’Antsiranana.
 
Cote d’Ivoire : Mety hivoaka amin’ity herinandro ity raha tsy misy ny sampona ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena notontosaina tany Côte d’Ivoire. Efa tokony ho nivoaka andro vitsy lasa ny vokatra saingy noho ny fifamaliana nisy teo amin’ny samy mpifanandrina dia izy izao voatery nahemotra izao.
 
Olona 5  : Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny SIDA ny tao an-drenivohitra Alaotra Mangoro omaly alarobia. Hetsika maro samihafa toy ny podium narahina radio crochet nandraisan’ny ankizy anjara no nanamarihana izany. Nisy ihany koa ny fampahafantarana fa olona miisa dimy no tratry ny aretina SIDA ankehitriny any amin’ity faritra ity raha roa ny ao Ambatondrazaka.
 
Nankasitrahana : Nahazo fankasitrahana manokana avy amin’ny lehiben’ny distrika ireo Ben’ny tanàna rehetra any amin’ny faritra SAVA sy ireo lehiben’ny boriborintany any an-toerana. Fankasitrahana noho ny asa vitan’izy ireo tamin’ny asa fanasoavana ny vahoaka ankoatra ny fanatontosana ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 17 Novambra lasa teo.
 
Etazonia : Tovolahy kely iray 15 taona mpianatry ny lycée nitondra basy poleta roa no naka an-keriny mpampianatra iray sy mpianatra 23 isa tao amin’ny lycée iray ao avaratr’i Etazonia ny alatsinainy lasa teo.
 
Ady amin’ny tazomoka : Mitohy hatrany ny ady hatao amin’ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’i Mananjary. Mitombo isa hatrany mantsy ny olona matin’ny aretina ity any an-toerana, indrindra ireo reny bevohoka sy ireo zaza latsaky ny 5 taona. Misy ny fanentanana ny mponina sy ny fampahafantarana ny voka-dratsin’ny fanaovana dokotera tenany mandritra izany arahin’ny fizarana lay misy ody moka maimaimpoana.
 
Mexique : Nahitana toerana nandevenana olona tsy fantatra tsy nahazoana alalana tamin’ny tomponandraikitra indray tany Ciudad Juarez any Mexique ny talata lasa teo. Toerana 11 no sarona tamin’izany nahitana razana miisa 18.
 
Mahazo vahana : Mihamahazo vahana any amin’ny distrikan’Ihosy ny fanolanana zaza tsy ampy taona tato ho ato. Anisan’ny nodinihin’ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana izany ny fiandohan’ny herinandro teo izany nandritra ny atrikasa notontosain’izy ireo. Nasian’izy ireo resaka ihany koa ny mikasika ireo zaza vao teraka tsy mbola nahazo kopia mari-pahaterahana.
 
Gaga : Nanaitra ny olona ny nahitana mpitandron’ny filaminana mirongo fiadiana mahery vaika tonga teny Analakely omaly. Misy amin’izy ireo no misaron-tava mihitsy. Maro ny nihevitra fa hisy fisamborana jiolahy angama teny. Akory anefa ny hagagana raha nahita ny ministry ny filaminana anaty, Rakotomihantarizaka Organès, tonga nony avy eo, hitsidika ny Lapan’ny tanàna, teo ny olona vao nahalala fa izay izany no antom-pisian’ireo andiana mpitandro ny filaminana sy naha hentitra ny fiarovana teny.
 
Nangonin’i Pati
 
 
 
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT