Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 01 Desambra 2010


Serasera : Hisokatra anio ny tolobaro-panjakana mikasika ny fahazoana mitrandraka onjam-peo amin’ny radio sy ny fahitalavitra manerana ny faritra 22 eto amin’ny Nosy. Misokatra ho an’ny rehetra io na mpandraharaha vaovao na ireo nahazo fahazoan-dalana ny taona 2009 ka tratry ny fanadiovana ka nakatona. 

Mihoapampana : Noho ny fitakiana mihoapampana izay ataon’ny Cnaps amin’ny sekoly madinika tsy miankina dia nametraka fitarainana tany amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ny Fikambanan’ny sekoly tsy miankina. Nantsoina tao ny tompon’andraikitry ny Cnaps, ny ONEP (Organisation Nationale des Ecoles Privées) ary ny solontenan’ny Ministry ny fampianarana nasionaly. Niady hevitra tao moa ny mpivory ary nohamafisin’ny Mpikambana tao amin’ny vaomieran’ny fampianaran’ny CST fa tsy vahaolana ny fidinana an-dalambe fa ny fifampidinihana ihany no zava-dehibe.
 
Fetim-bokatra : Fahombiazana tanteraka no azon’ny ONG Avotra nandritra ilay fetim-bokatra nokarakarainy tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo ny alahady sy ny alatsinainy lasa teo. Fetim-bokatra nentin’izy ireo nampahafantarana ireo karazan-javatra vokariny toy ny legioma. Tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny fampahafantarany ilay fanafody spiruline vokariny.
 
EKA : Tontosa afak’omaly alatsinainy tao amin’ny lapan’ny tanàna ao an-drenivohitr’i Tolagnaro ilay atrikasa momba ny ezaka kopia ho an’ny ankizy. Kaominina 13 amin’ny 21 isa no tonga nandray anjara tamin’izany natrehin’ireo solontena avy amin’ny sampandraharaham-panjakana maro isan-tsokajiny. Fantatra nandritra izany fa kaominina telo indray no hanaovana ny hetsika manomboka amin’ity herinandro ity ka ireo ankizy latsaky ny 18 taona no hahazo tombontsoa amin’izany.
 
Fotodrafitrasa : Nahazo sekoly ambaratonga fototra vaovao ny any amin’ny fokontanin’Ambaraka, Kaominina ambanivohitra Ambodivoanio, distrikan’i Mananara Avaratra. Ny faran’ny herinandro teo no nanokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa vokatry ny ezaky ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ireo malala-tanana.
 
Fahasalamam-bahoaka : Dokotera vazaha enina mianadahy avy ao amin’ny fikambanana Air Mada no tonga manao fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny mponina any amin’ny distrikan’i Brickaville amin’izao fotoana izao. Nisantaran’izy ireo izany ny tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Andevoranto ny alatsinainy teo.
 
Hasiam-panamboarana : Hasiam-panamboarana ankehitriny rehefa nampikolay ny mpandeha sy ny mpampiasa lalana nandritra ny volana maromaro ireo tetezana samba any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Nanomboka omaly talata ny asa fanamboarana izay hatao beton mihitsy raha hazo hatrany izany teo aloha. Voatery mihodina amin’ny lalan-kafa ny fiara vokatr’izany.
 
Hahazo fitaovana : Hahazo fitaovam-pifandraisana manara-penitra avy amin’ny ministera mpiahy azy ny haino aman-jerim-panjakana any amin’ny distrikan’i Vatomandry. Nandritra ny fitsidihan’ny ministra tany an-toerana no nahafantarana izany ny alatsinainy teo sady nanentanany ny mpiasa mba hanao ny tsara kokoa hatrany, indrindra amin’ny fampitam-baovao.
 
Mpamosavy : Nahitana trangan-javatra hafahafa indray teny Anosipatrana teny ny alatsinainy alina tokony ho tamin’ny 9 ora. Nanatona vavahadin’olona iray izy sady nandondona no niteny “vohay aho fa mangatsiaka”. Nanatona ny tompon-trano ary vehivavy lehibe tokony ho 60 taona mahery no hitany. Nasaina nandeha izy fa tsy nety. Nalefa tany amin’ny polisy Ilanivato izy avy eo. Vao nahita azy anefa ny mpitandro ny filaminana dia nandroaka azy satria efa misy mitondra ao matetika, hono, io ramatoa io. Vao nandre izany ramatobe dia lasa natanjaka be nizotra amin’ny lalana Andavamamba iny. Nialoha izay anefa saika tsy tonga teny amin’ny polisy izy.
 
«Festival des mangues» : Hatao any Namakia ny 4 sy 5 desambra ho avy io ny “festival des mangues. Izay dia ho fanomezan-danja sy fampiroboroana ny lalampihariana manga izay mampalaza iny faritra avaratra andrefan’ny Nosy iny.
 
Karachi : Olona 11 indray no indray namoy ny ainy tany Karachi afak’omaly alatsinainy tokony ho mitataovovona vokatry ny fianjeran’ilay fiaramadinika kely iray nitondra azy ireo, ora vitsy taorian’ny niaingany. Misokatra ny fanadihadiana mikasika ity fiaramanidina ity.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT