Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 30 Novambra 2010


Fotodrafitrasa : Nahazo tranon-tsekoly iray vaovao manara-penitra ny any amin’ny kaominina ambanivohitra Betsakotsako, distrikan’Andapa. Ny faran’ny herinandro teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny tranon-tsekoly miaraka amin’ny toby fitehirizan-drano sy ny biraon’ny talen-tsekoly. Ny fitondrana Japoney no namatsy vola ny asa. 

Mitaraina : Dokotera maro no mitaraina ankehitriny fa «Note de Service» fotsiny ihany no nentina namindrana azy ireo toeram-piasana (affectation de poste). Toe-javatra izay raha ny tokony ho izy dia didim-pitondrana na didim-panjakana no anaovana izany. Fantatra fa efa mikonokonona hevitra entina handresena lahatra ny FAT ireo dokotera izay tratry ny tsindry hazo lena ankehitriny.
 
Ady amin’ny tazo moka : Vaky ny ady amin’ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’i Maintirano.  Nisy ny famelabelarana mahakasika ity aretina ity nitondrana fanazavana bebe  kokoa ho an’ny mponina omaly alatsinainy 29 Novambra niarahana tamin’ny talem-paritry ny fahasalamana any an-toerana.
 
Sarona : Saron’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny distrikan’i Maintirano ny faran’ny herinandro teo ilay mpamono olona notadiavina hatramin’ny ela, namono nahafaty an’Itompokolahy Solondray tao amin’ny fokontanin’i Tanambao méteo ny alin’ny 05 hifoha 06 oktobra lasa teo. Efa ho tapa-bolana izay raha tsiahivina no nahatrarana ny namany roalahy.
 
Tontolo iainana : Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny fetin’ny ranomasina, ny atiala ny tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra ny sabotsy 27 sy ny alahady 28 Novambra lasa teo. Famelabelarana mikasika ny hasarobidin’ny zava-boary sy ny fanentanana ny mponina mba handray anjara feno amin’ny fiarovana izany no anisan’ny nisongadina, natrehin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny.
 
Fidiran’ny mpianatra : Nanamarika ny fidiran’ny mpianatra tamim-pomba ofisialy taom-pianarana 2010-2011 ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana any amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny faran’ny herinandro teo. Tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Morarano Chrome, distrikan’Amparafaravola no namarihana izany izay mbola nanamafisana ny fanentanana ny ray aman-dreny ny amin’ny tokony hampidirana an-dakilasy ny ankizy mpianatra.
 
Fanomezana : Ankizy am-polony mpianatra ny sekoly katolika any amin’ny distrikan’i Fenoarivo atsinanana no notoloran’ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo fanomezana ny faran’ny herinandro teo ho fankasitrahana azy ireo noho ny nahazoany mention tamin’ny fanadinam-panjakana Bakalôrea farany teo. Lelavola 300.000 Ar no natolotra ireo nahazo mention tres bien raha 100.000 Ar kosa ny an’ireo nahazo mention assez bien.
 
Fanambakana : Mitaraina noho ny fanambakana hataon’ireo mpandraharaha tonga maka lodsia any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ireo tantsaha mpamokatra ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambodiampana. Raha 8000 ka hatramin’ny 9000 Ar mantsy no vidiny ara-dalàna tokony hangalan’ny mpandraharaha ny folo kesika dia midina hatrany amin’ny 4.000 Ar izany rehefa harivariva iny ny andro. Nanambara moa ny avy eo anivon’ny faritra fa hisy ny fanaraha-maso hentitra hotontosain’izy ireo hisorohana izany fanambakana mihatra amin’ny tantsaha izany.
 
Sekoly : Nahazo lycée vaovao ny any amin’ny Kaominina ambanivohitra Anivorano Atsinanana, distrikan’i Brickaville. Ny faran’ny herinandro teo no nanokanana tamim-pomba ofisialy ny foto-drafitrasa no sady nanolorana ireo karazam-pitaovana toy ny dabilio hahafahana mampihodina avy hatrany ny sekoly. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny avy eo anivon’ny Faritra Analanjirofo.
 
Fifohana sigara : Olona 600. 000 mahery isan-taona no indray namoy ny ainy vokatry ny fifohana sigara maneran-tany. Taorian’ny fanadihadiana sy ny fandalinana narahina famoahana vokatra notontosain’ireo mpitsabo sy tomponandraikitra any Britanika no nahafantarana izany.
 
Kabary : Niditra ny faran’ny herinandro iny ny andiany faha-8 amin’ny fampianarana kabary sahain’ny rantsan’ny FIMPIMA ao Moramanga. Sady fanomezana aina ny teny malagasy izy ity no fanabeazam-boho ny kolontsaina ihany koa. Dimy ny isan’ny mpanofana amin’izany.
 
Nangonin’i Pati
 
 
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT