Actualités

Vaovao tapatapany


  • Alatsinainy 29 Novambra 2010


Mitohy : Mitohy ny hetsiky ny Ankolafy Telo ao Antsirabe. Ao amin’ny tokotany malalaky ny Magro Avaratsena toy ny mahazatra azy ireo no nifamotoanana ny sabotsy teo. Teny manodidina teny ny Emmo-Reg fa tsy nandrava ny hetsika. Mifoha ihany koa ireo mpiara-dia any amin’ny Faritra ary efa manomboka mifampitaona, toy ny ao Ambatondrazaka, Antsiranan ary Toliara. 

Diso daka : Hafakely ity tranga niseho nandritra ny famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara eo amin’ny taranja hand-ball natao tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny sabotsy lasa teo ity. Nisy fotoana, rehefa nifarana ny lalao, dia lasa tany amin’ny mpijery ny baolina. Tonga teny am-pelatanan’ity tovolahy iray izany. Nodakan’ilehio nony avy eo. Asa na ratsy daka na ahoana fa saika niantefa tany amin’ny Praiministra Camill Vital, izay tonga nanome voninahitra io lalao famaranana io ilay baolina. Poa toa izay dia voahodidina mpitandro ny filaminana izy. Niala tsiny ranamana fa tsy niniana fa diso daka… ary dia niravona teo ihany ny raharaha.
 
Tsy misy tohiny : Misy sambo vahiny mihantsona indray ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Mitaona hazo sarobidy, toy ny voamboana na “palissandre” miainga avy amin’iny faritra Sofia, distrikan’i Mampikony indrindra indrindra. Araka ny fantatra dia mandalo “scanner” ny kaontenera misy ireto hazo ireto. Mampiahiahy ny fanamarihana mivoaka rehefa tsikaritra fa misy hazo ao anaty kaontenera saingy tsy misy tohiny izany na koa fanadihadiana misokatra, araka ny loharanom-baovao, fa dia mizotra toy ny tsy nisy inona.
 
Miaka-bidy : Nandeha ny feo tao an-drenivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro tao ny herinandro lasa iny fa hanokafana Tsena Mora koa ao Ambatondrazaka. Ny nivoahan’io feo io anefa no ela dia ny mifanohitra amin’izay no nitranga. Niaka-bidy avokoa ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro.
 
Manta : Tara ny fiakaran’ny vokatra lodsia any Andapa. Ny tsy fahampian’ny rotsak’orana no mahatonga izany araka ny fanamarihan’ny tantsaha any an-toerana. Ny fahasimban’ny tontolo iainana mitarika fiovaovan’ny toetr’andro no antony.
 
15 taona : Nankalazaina omaly tao Tolagnaro ny ivon’ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny FJKM Salema Vaovao ao Tolagnaro, synodam-paritany Amboasary Atsimo. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ireo mpitandrina nifandimby, sy ny nitandrina voalohany tao sy ny avy amin’ny fiangonana.
 
Nidofaka : Nanempotra ny fofona rongony tao Antsahamanitra omaly nandritra ny seho goavana iray natao hahatsiarovana sy hanomezam-boninahitra an-dRaoul, iray amin’ny mpikambana tao amin’ny tarika Mahaleo, nindaosin’ny fahafatesana fiandohan’ny volana septambra 2010. Nisy mpitandro ny filaminana ihany teny, fa toa tsy nampiraika azy ireo izany. Na izany aza, nizotra tam-pilaminana ny fampisehoana. Tonga maro ny mpankafy.
 
Nivadika : Niparitaka eran’ny arabe ny tavoahangin-dabiera tetsy amin’ny fiholanan-dalana mankany Tsiafahy omaly. Niharan-doza ny fiarabe nitondra ity zava-pisotro ity ary dia nihahaka ara-bakiteny ny entana. Fa fiara Rocky Daihatsu iray koa no nifatratra tamin’ny andrin-jiro teo Soanierana omaly tolakandro. Niala ny lala-mahitsy ilay fiara ary dia namantana ary tavela teo amin’ilay andrin-jiron’ny Jirama.
 
Didy jadona : Manameloka ny fanagadrana an-dRalaiseheno Guy Maxime, izay filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny nosy sady Ben’ny tanànan’Ankaraobato ireo ben’ny tanàna any Ambilobe Faritra DIANA. Inona no nanagadrana azy rehefa nahemotry ny fitondrana FAT ihany ny fifidianana Ben’ny tanàna, hoy izy ireo. Endriky ny didy jadona izany.
 
Fandrahonana : Mpanao gazety maromaro any amin’ny Faritra no fantatra fa nahazo fandrahonana taloha, nandritra ary taorian’iny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 17 novambra 2010 lasa iny. Ankoatra ny teto an-drenivohitra dia nahenoana ako momba izany koa tao Moramanga, Ambatondrazaka ary Mahajanga.
 
Ripaka : Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any Alaotra Mangoro iny. Mila ho isan’alina no andrenesana vaky fisoko sy halatra omby ankoatra ny herisetra toy ny sakan-dalana arahina fandratrana olona. Fa amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao dia ireo gisa any anaty fisoko indray no aripaky ny mpanao halabotry, toy ny miseho amin’iny Kaominina Merimandroso iny. Miraviravy tanana ny mponina mponina manoloana izany ary mametra-panontaniana raha mbola hisy gisa hiangana, hanaovana fety amin’ny faran’ny taona ihany, manoloana izany.
 
Tafahoatra : Misy fandaharana izay mahaliana ny maro  ao amin’ny radio tsy miankina iray mandeha isaka ny alahady antoandro amin’ny iray ora. Mpivarotena iray vao 18 taona monja no vahiny tao omaly. Tafahoatra ihany ny zava-misy ho an’ny sofina tsy zatra azy sy ny ray aman-dreny mitaiza tanora adolantsento. Nolazainy mantsy fa ny reniny mihitsy no nivarotra azy tamin’ny vazaha raha vao 12 taona monja izy. Mahery vaika tokoa ny asan’ny vola !
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT