Nandresy : «Nandresy ny ENY tao Ambodimanga Jese fa ny taham-pandraisan’anjaran’ny olona tonga nifidy no ambany». Io no fanamarihana nentin’ny Dr Ramandehamanana Richard, lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro teo aloha, ary Tale lefitry ny fampielezan-kevitra ao amin’ny Komity mpanohana ny ENY tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 17 novambra 2010 lasa teo. Na izany aza dia tsy nandroso tarehimarika izy nanohanany ny fanazavana. Nambarany kosa fa mpihavana ary mifankalala avokoa ny mponina ao amin’io Ambodimanga Jese io.
Lecacheur : Tsy fanakianana be fahatany fa tokony ho fanakianana mitondra any amin’ny fampandrosoana no ataon’ireo vondron’olona mitonon-tena ho mpanohitra, hoy i Henri Lecacheur, filohan’ny PFM no sady mpikambana ao amin’ny CST. Aminy dia mampalahelo ny fihetsika tsy ampy fieritreretana ataon’ny sasany amin’ny fanosoram-potaka sy fanaratsiana ny fitondrana tetezamita, tsy tokony hiteniteny foana rehefa tsy eo amin’ny fitondrana, hoy izy ary avelao ny olona hiasa.
Mankasitraka : Mankasitraka ny fampihemorana ny fifidianana Ben’ny tanàna, Atoa Rakotoharinoro Ando, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) no sady Sekretera jeneralin’ny antoko Matsilo. Hanome ainga vao ireo mieritreritra ny hilatsaka hofidiana izany, araka ny filazany no sady hahafahana miomana tsara. Tsy maintsy mitety faritra mantsy manentana ireo mpikambana ao aminy ireo antoko tsirairay avy, ka tena tsy ampy mihitsy ny fotoana raha toa ka ny 20 desambra 2010 ho avy izao no hanaovana ny fifidianana.
Varotra hosoka : Henan’omby efa maimbo sy nijanona andro maromaro araka ny vaovao voaray no hamidin’ireo mpivaro-kena ho an’ireo mpanjifany ao an-drenivohitr’i Maintirano. Manao ody maimbo ireo mpivaro-kena araka ny vaovao voaray ihany satria eo am-pikarakarana ny sakafo vao hita sy fantatra ny fahasimbany. Tsy vitsy ny mponina no mitaraina noho izany, indrindra ireo mpivarotra masikita izay mijinja fatiantoka tokoa.
Tena madio : Ireo rehetra, na iza na iza, raha toa ka ho avy aty hanakorontana dia aleo hijanona any, raha hanampy kosa dia vonona handray an-tanana azy ireo izahay, hoy i Andry Rajoelina teny Anosiala, Ambohidratrimo omaly. Mikasika ny fifidianana indray, nambarany fa tena madio iny referandaoma iny. Toy ireny ny fifidianana, hoy izy, rehefa madio sy mangarahara. Nampiasa bileta tokana, tsy nisy olona noterena tsy maintsy hifidy, tsy nisy koa olona notaomina ary tsy nisy ordinatera maty, hoy ihany izy.
Feno 50 taona : Mankalaza ny faha-50 taona niorenany ny sekoly katolika Saint louis de Gonzague ao Antalaha. Fotoam-pivavahana lehibe nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nanokafana ny fankalazana ny alatsinainy 22 Novambra lasa teo, notarihin’ireo raiamandreny am-panahy katolika any an-toerana.
Tsy mahara-baovao : Mitoka-monina tsy mahara-baovao ireo mponina any amin’ny distrikan’i Mandoto, Faritra Vakinankaratra. Noho ny tsy fisian’ny televizionam-panjakana Tvm sy noho ny tsy fisian’ny telefaonina hifandraisana no mahatonga izany.
Mihazakazaka : Hasiam-panamboarana avokoa ireo EPP fito ao amin’ny kaominina Talatavolonondry, distrikan’Antananarivo Avaradrano miaraka amin’ireo tetezana roa izay mampifandray Fokontany roa avy. Hasiam-panitarana koa ny CEG, trano vaovao naorin’ny Kaominina sy ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra hianaran’ireo ankizy vao afa-panadinana CEPE farany teo.
Asa tana-maro : Raikitra ny asa fanadiovan-tanana tontosain’ireo vehivavy sahirana ara-pivelomana am-polony ao amin’ny Fokontanin’Ankasina 67 ha, Kaominina Antananarivo Renivohitra. Karamaina 2.000 Ar isan’andro izy ireo, araka ny fanadihadiana natao, miasa tapak’andro manomboka amin’ny 8 ora. Fanirian’izy ireo ny hitohizan’ny hetsika tahaka izao.
Lasan’ny rano : Fiara mpitatitra olona iray no saika lasan’ny rano tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe ny alarobia lasa teo noho ny fahatapahan’ny tetezana. Voatery nidina tao anaty rano ilay fiara noho izany nefa tsy nampiasa hazo fisaka toy ny fanaon’ireo fiara fitateram-bahoaka hafa ka saika nampidi-doza.
Voarara : Voarara ny fivarotana lodsia manta any amin’ny distrikan’i Mahanoro. Fanambarana nataon’ny lehiben’ny distrika izany noho ny fahatsapan’ity farany fa mitombo isan’andro ireo olona mioty ny vokatra lodsia manta ary mivarotra izany eny rehetra eny. Ny mba hitandrovana ny fahasalaman’ny mponina moa no anton’ny fandrarana ankoatra ny fiarovana ny kalitaon’ny vokatra.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.