Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 25 Novambra 2010


Fahasalamam-bahoaka : Any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra indray no hiantefan’ny hetsik’ireo olona enina mianadahy mianaka, mitsabo ny areti-maso maimaimpoana avy any amin’ny distrikan’i Mandritsara. Ao amin’ny hopitalibe no hanatontosany izany haharitra hefarana, arahin’ny fivarotana baiboly sy fihirana amin’ny vidiny mirary. Misy ihany koa ny fitoriana ny filazantsara ho an’ny olona rehetra. 

Fiarovana ny tontolo iainana : Tontosa ny alarobia 24 Novambra 2010 ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana amin’ny fanentanana mikasika ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Miisa 88 mirahalahy ireto andiany ireto izay misalotra ny anarana «Andramena». Notolorana ny mari-pahaizana izy ireo nandritra ny lanonana tao amin’ny Cercle Mess Betongolo. Tsy ho ela izy ireo dia hiasa manerana ny lafivalon’ny nosy mba hanentana ny mponina eny ambanivohitra.
 
Ady amin’ny tazomoka : Vaky ny ady amin’ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’i Mahabo. Hotanterahina manomboka anio alakamisy 25 Novambra ilay tetikasa fandrarahana ranom-panafody ho an’ny isan-tokantrano ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Antony nanaovana ny hetsika moa araka ny vaovao voaray ny fitombon’ny tahan’ireo olona tratry ny aretina tazomoka any amin’ity distrika ity izay mahatratra 85% ankehitriny.
 
Tsiorisoa Tanjakaina: Mangataka fanampiana amin’ireo malala-tanana noho ny “tumeur” ao amin’ny lohany. Ny 05001 054 030 00 746 -44 ao amin’ny BFV SG no azo androtsahana ny fanampiana azy amin’ny anaran-dramatoa Rasoalinoro Herivola na antsoina ny finday 033 25 413 63. Vola hatramin’ny 80 tapitrisa ariary no ilainy amin’izany.
 
Mpivarotra amoron-dalana : Manomboka indray ny fanalana sy fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana manodidina an’Analakely sy Tsaralalana hatramin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Ilay fiara mangabe an’ny fivondronana izay efa mahazatra ny mpivarotra sy ireo lehilahy mpiasan’ny kaominina am-polony ihany no manao izany izay marihina fa mibata entana avy hatrany mihitsy. Mpivarotra am-polony no very entana omaly alarobia teny Analakely.
 
Efa mandeha : Efa azo lazaina ho mandeha ihany raha nihisatra fatratra teo aloha ny fampidiran-jiro ho an’ny isan-tokantrano karakarain’ny JIRAMA. Ho an’ny faritra atsimondrano manokana, ohatra, dia tokantrano maromaro no indray nahazo jiro omaly raha efa amam-bolana ny niandrasana izany. Na izany aza mbola misy ihany ireo mitaraina.
 
Vokatra lodsia : Toy ny faritra Vatovavy Fitovinany dia nosokafana tamim-pomba ofisialy tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana ihany koa omaly alarobia 24 Novambra ny fotoam-piotazana ny vokatra lodsia taona 2010. Na izany aza efa nisy ihany ireo nangalatra départ araka ny vaovao voaray satria efa nahitana garabana lodsia marobe ny alatsinainy lasa teo, teo anelanelan’ny lalana mampitohy an’i Farafangana sy Vohipeno.
 
Fahasalamana : Rahampitso zoma 26 Novambra vao hifarana any amin’ny Kaominina ambanivohitra Beramanja, distrikan’Ambilobe ilay hetsika nanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Ankizy manodidina ny 500 isa no nanaovana fitarafana araka ny vaovao voaray raha nify 177 isa no efa afaka. Ny tanjona moa dia hahafahana manampy ireo ankizy mpianatra amin’ireo karazana aretina mety hanjo azy ao anaty vavany.
Tsena Mora : Nisy indray ny Tsena Mora omaly alarobia fa nanjary lasa nisy fepetra. Ny teo Anosibe, ohatra, dia kara-pokontany ho an’olona sahirana miisa 60 isam-pokontany ihany no mahazo. Nihena ihany koa ny fatran’ireo sakafo azo vidiana. Ny alarobia ihany sisa no misy ny tsena fa nofoanana ny andro sabotsy.
 
Nosy Java : Ahiana hipoaka indray ilay volkano Le Bromo any amin’ny Nosy Java. Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nampandre ireo mpizahantany vahiny tonga ao an-toerana sy mponina ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny mba samy ho mailo hisorohana ny loza mety hitranga.
 
Cambodge : Alahelo sy fahasorenana hatrany no hiainan’ireo mponina ao Cambodge, telo andro aty aorian’ny nitrangan’ilay toe-javatra nampalahelo namoizan’ain’olona 378 isa sy naharatra olona manodidina 755.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT