Mpanelanelana : Toarian’ny fivoriana tany Gaborone ny herinandro lasa iny dia fantatra izao fa hisy iraka avy amin’ny SADC ho avy eto Madagasikara ato ho ato, hijery ifotony ny fandehan-draharaha hahafahana mamaritra soridalana mazava sy ankatoavin’ny rehetra hamaranana ny krizy.
Ladoany : Tsy nahavanona ireo mpitarika grevy saika hampikatso ny asa tao amin’ny ladoany Toamasina omaly. Mpiasa telo ihany araka ny fantatra no seriny tamin’izany, izay olon’ny TGV araka ny fantatra, nitaky ny fialan’ny Tale jeneraly sy ireo mpiara-miasa aminy ao Toamasina. Nizotra araka izany ny asa aman-draharaha tao amin’ny ladoany io omaly io.
Lay misy ody moka : Mizotra araka ny tokony ho izy ny fizarana lay misy ody moka any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Nanomboka afak’omaly alatsinainy no nanombohan’izany raha ny sabotsy ho avy izao vao hifarana tanteraka. Olona telo ho an’ny tokantrano iray no fepetra takiana vao mahazo lay iray misy raha mahazo roa kosa ho an’ireo mahatratra dimy nefa iray trano.
Sahirana : Misedra olana ireo fiara fitateram-bahoaka mampitohy ny renivohitra amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Raha afa-nandeha tao anaty rano mantsy teo aloha ireo fiara ireo noho ny fahatapahan’ny tetezana dia tsy azon’izy ireo atao intsony izany ankehitriny noho ny fiakaran’ny rano nateraky ny ranon’orana. Antso avo noho izany no hataon’izy ireo amin’ny tomponandraikitra mba hijery akaiky ny zava-misy.
Taom-piotazana lodsia : Hosokafana amim-pomba ofisialy anio alarobia 24 Novambra any amin’ny distrikan’i Manakara, Faritra Vatovavy Fitovinany ny taom-piotazana lodsia taona 2010. Mpaninjara telo no hiandraikitra izany araka ny vaovao voaray raha 350 Ar kosa ny hangalany ny iray kilao eny anivon’ny mpanangom-bokatra.
Hain-trano : Nitrangana hain-trano tany amin’ny distrikan’i Manakara ny talata 16 Novambra lasa teo. Vokatry ny afo tsy maty tamina tokantrano iray no niteraka ny loza. Vokany, trano 35 tafo no indray kila forehitra raha mahatratra an-jatony ireo tsy manan-kialofana.
Ady amin’ny SIDA : Nahazo mari-pamantarana na Logo vaovao hoenti-miady amin’ny aretina SIDA ny any amin’ny distrikan’i Sainte-Marie. Ny alatsinainy hariva teo no nivoahan’izany tamim-pomba ofisialy taorian’ny fifaninanana nampanaovin’ny tomponandraikitry ny fahasalamana any an-toerana, natrehin’ireo mpitsara sivy sy ny lehiben’ny distrika.
42 : Tafakatra 42 araka ny vaovao voaray ny isan’ireo kandida hifaninana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna nandrotsaka ny volan-ketrany sy ny taratasy filatsahany hofidiana any amin’ny distrikan’i Maintirano raha mbola nanao taratasy fanekena fotsiny ny 120 amin’izy ireo fa tsy mbola nisy nandoa vola. Na izany aza naato ny fandraisana ny antontan-taratasy rehetra sy ny manodidina izany ho an’ity distrika ity taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondrana FAT.
Ampahatelony : Tsy nahatratra ny ampahatelon’ireo olom-pirenena feno 18 taona tokony nandray anjara tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina ny 17 Novambra lasa teo akory araka ny vaovao voaray ny isan’ireo tonga nandray anjara tamin’izany tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo. 20.964 tamin’ireo mpifidy voasoratra anarana miisa 65.064 monja mantsy no tonga nandray anjara tamin’izany.
Hain-trano : Nitrangana hain-trano tany amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra ny alin’ny 18 Novambra lasa teo tokony ho tamin’ny 08 ora. Vokany, trano fonenana 24 tafo no indray kila ankoatra ireo fitaovana sy kojakoja maro samihafa mitentim-bidy an-tapitrisany maro.
Manahy : Velom-panahiana mafy ny amin’ny mety hisian’ny asa fampihorohoroana ao Reichstag any Berlin ireo tomponandraiki-panjakana Alemana. Nisy ny tsy fahazoan’ireo olona sasantsasany niditra tao amin’ny coupole nanomboka ny afak’omaly alatsinainy ho fiarovana izany.
Tsena Mora : Hiverina indray ny famatsiana eny amin’ny Tsena Mora manomboka anio rehefa niato izany tamin’iny herinandro iny. Nandeha ny resaka fa dia nataon’ny mpitondra fitaovana hitaomana ny olona hifidy sy hampandaniana ny ENY fotsiny izy ity. Miisa 55 ny toeram-pamatsiana misokatra hatreto ka ny 25 amin’ireo dia eto Antananarivo avokoa.
Vaky ny ady : Vaky ny ady eo amin’ireo tafika any amin’ny faritra andrefan’i Corée sy any Séoul. Nisy ny tifitra variraraka nataon’iretsy voalohany ny nosy kely iray ao atsimon’i Corée omaly talata ho valibontana tamin’ny fihetsika sy fanafihana nataon’ny tafika any Séoul azy ireo.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.