Magro Behoririka : Lasa toeram-pamaharan’ny Emmo-Reg koa ny Magro Behoririka ankehitriny. Mahazo fandrahonana ary dia rarafan’izy ireo ny baomba mandatsa-dranomaso izay minia mandingana ny tokonan’io toerana io. Tsy anavahana io fa hatramin’ny mpanao gazety mitrandraka vaovao voarahona avokoa.
Maniry : Maniry mafy ny mba higohany ny tombontsoa azo avy amin’ireo tanjaka ara-toekarena hananan’ny Faritra Anosy ireo mponina ao aminy. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka fa tsy handeha goana toy ny teo aloha intsony. Fitarainana nataon’ny mponina tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana izany ny faran’ny herinandro teo.
Saika hitsoaka : Mihamitombona ankehitriny fa dia nisy fanomanana ny fomba hitondra mitsoaka an’i Madagasikara ireo mpanao politika ambony malagasy amin’izao fotoana izao. Voakasik’izany i Andry Rajoelina mivady sy ny ankohonany ary ireo olon’ny Frantsay miasa eto. Miaramila frantsay no voalaza fa efa novononina hanatontosa izany tamin’iny 17 novambra iny, nisian’ny fanambarana voalohany nataon’ireo manamboninahitra nikomy tao amin’ny BANI Ivato.
Mila fanamboarana : Hetahetan’ny mponina ao Ifanadiana, Ranomafana ny hanajarian’ny fitondram-panjakana ilay ranomafana natoraly fitsaboana marary any amin’ity distrika ity. Araka ny fantatra mantsy dia efa mihasimba tanteraka ny fotodrafitrasa ankehitriny raha azo isaina amin’ny rantsan-tanana ihany koa sisa ireo mpiasa mampihodina izany. Ny ministeran’ny fahasalamana moa no miahy mivantana sy mampihodina ity ranomafana natoraly ao Ranomafana ity raha tsiahivina.
Afera : Lasa afera avokoa araka ny feo mandeha etsy sy eroa ireo sakafo toy ny menaka sy vary amidy mora eny amin’ny Tsena Mora isaky ny alarobia sy sabotsy. Anisan’ny mahazo tombontsoa manokana amin’izany, araka ny fanazavana azo, ireo olona akaiky ireny sefo Fokontany ireny ankoatra ireo fianakaviany. Tsy tafapaka any amin’ireo olona sahirana izay noheverina fa tena hiantefan’ny fanampiana akory noho izany ireo karazan’entana hamidy eny amin’ny tsena mora ankehitriny.
Hampiofana : Handray ireo tanora mpianatra zazalahy sy zazavavy 18 ka hatramin’ny 22 taona manana ny mari-pahaizana Bakalôrea ny orinasa Ambatovy. Lohalaharana amin’izany ireo tanora mpianatra any amin’ny Faritra Atsinanana izay marihina fa hahazo fiofanana avy hatrany aorian’ny fifaninanana hotontosainy. Ny faran’ny volana Novambra ho avy izao no farafanaterana ny antontan-taratasy araka ny vaovao azo raha haharitra 18 volana kosa ny fiofanana.
Fandaharam-pianarana : Hampidirina ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ireo mpianatra mianatra eny anivon’ny Lycée teknika araka ny dinika nifanaovan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny misahana izany ny «culture entrepreneuriale» mba hahafahan’ny mpianatra mikaroka sy mamorona asa avy hatrany ho an’ny tenany. Lesoka mbola hita eo amintsika io hatramin’izao araka ny fanazavana azo nefa tokony hotanterahina hanampiana ny tanora malagasy.
Mitombo isa : Mitombo isa hatrany araka ny hita eny an-dalana eny ireo fiara vaventy mandeha sy mifamoivoy amin’ny andro antoandro na dia misy aza ny lalàna mazava voafaritra mifehy azy ireny. Anisan’izany ireo mitondra kaontenera sy mitarika remorque feno entana izay tsiahivina fa antony iray mampahazo vahana ny fitohanan’ny fiarakodia amin’ny faritra maro.
Tsy ho ela : Amin’ity herinandro ity ihany dia mety ho fantatra ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena notontosaina ny alahady teo tany Burkina Faso. Nahatratra fito ny kandida mpifaninana raha tsiahivina ka anisan’ireny i Blaise Compaore, filoham-pirenena am-perinasa izay marihina fa efa nahavita fotoam-piasana in-dimy nisesy.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.