Fisavana : Raikitra ny fisavana ireo olona mitondra na mibaby kitapo hiditra ao anatin’ny zotram-pitaterana 117 mampitohy an’Ambohijatovo sy Androndra Ampamantanana amin’izao fotoana. Araka ny fantatra mantsy dia olon-tsotra toy ny mpandeha avokoa ireo tonga mandraraka lasantsy any anatin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny hatramin’ny nisian’ny sakoroka teto an-drenivohitra.
Maty an-drano : Fito mianaka no indray natelin’ny rano, ary maty avokoa, tao amin’ny vavaranon’Ankaboka, Kaominina Manaratsandry, distrikan’i Marovoa ny zoma 19 novambra teo. Sefo Fokontany ny roa (Ambondrona sy Antanimora), niaraka tamin’ny mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato roa avy nanatitra voka-pifidianana, miampy mpianatry ny CEG roa hody haka vatsy ary olona iray hafa ireto namoy ny ainy ireto.
Fampandrosoana : Nihaona tetsy amin’ny CNFP Mahamasina omaly alahady 21 Novambra ny FIZAMA na ny Fikambanan’ny Zanak’i Mandritsara. Fihaonana izay niompana tamin’ny dinika hoenti-mampandroso ity distrika ity ankoatra ny fanavaozana ny birao.
Fitaovam-pamokarana : Notoloran’ny ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy angadin’omby 150 isa ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny distrikan’i Fandriana. Ny mba hahafahan’izy ireo mamokatra ara-dalàna moa no tanjona araka ny vaovao voaray raha olana nipetraka hatrany teo aloha ny tsy fisiana sy ny tsy fahampian’ny fitaovana.
Filatsahan-kofidiana : Tafakatra 12 hatramin’ny zoma lasa teo ireo kandida nanatitra ny antontan-taratasiny teo anivon’ny Cavec hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna manerana ny distrikan’Ambatondrazaka. Tena vitsy ireo araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra izay nitarika ny fivoahan’ny Cavec ny sabotsy tontolo andro teo. Omaly alahady 21 Novambra moa raha tsiahivina no fara-fandraisana ny antontan-taratasin’ireo Ben’ny tanana izay mbola maniry ny hilatsaka hofidiana. Efa nilatsaka anefa ny didy fa hahemotra amin’ny fotoana tsy voafetra ny fifidianana.
Matin’ny hanoanana : Kely dia kely sisa no nahitana ny vatana mangatsikan’ny lehilahy iray teny Anjanahary afak’omaly hariva. Teo amin’ny sisin-dàlana teny Anjanahary no nahitana azy nandry tamin’ny tany. Ny Bmh no naka ny razana ary nanatitra izany teny amin’ny tranompatin’ny Hjra. Omaly maraina kosa no tonga teny amin’ny hopitaly ny fianakavian’ity lehilahy ity.
Fonja avy hatrany : Afak’omaly no naiditra am-ponja avy hatrany ny lehilahy iray nosamborin’ny mpitandron’ny filaminana teny Ivato tamin’io fotoana io ihany. Isan’ireo nanao fihetsiketsehana teny an-toerana ity lehilahy ity tamin’io fotoana io. Araka ny volazan’ny mpitandron’ny filaminana kosa dia hita matetika foana izy mandritra ny hetsiky ny mpiaro ny ara-dàlana. Izay no voalaza fa antony nisamborana azy ary izao tsy niandry ela izao fa naiditra am-ponja avy hatrany eny Antanimora. Ny nahavariana dia haingana dia haingana ny fomba fiasan’ny mpitandron’ny filaminana tamin’ity indray mitoraka ity.
Nilatsaham-baratra : Tao amin’ny Fokontany Ambatolampy, kaominina Andongamarina any Anjozorobe no nisian’ity zava-doza ity. Ny zoma 19 novambra tokony tamin’ny 6 ora hariva dia nipoaka mafy ny varatra ary nilatsaka tao amin’ny tranon’i Andrianasolo Nirina Faustin. Olona 6 no maty tamin’izany ka mpivady miaraka amin’ny zanany roa ireo efatra. Ny roa ambiny kosa dia olona sendra nandalo teo akaikin’ilay trano. Voadona mafy ny fianakavian-dRalaimidona, ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy niaraka tamin’ireo vady aman-janany.
Nangonin’i Pati sy r.d
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.