Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 19 Novambra 2010


Tsy manaiky lembenana : Naparitaky ny Emmo-Reg tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ny olona vory teo manodidina an’Ambohijatovo omaly tolakandro. Vao maraina dia efa nisy fitangoronana teny, izay saika ireo mpomba ny Ankolafy Telo, tsy manaiky lembenana mitaky ny hiverenana amin’ny ara-dalàna na eo aza ny setroka lakrymozena. 

Fandrahonana : Ny TV plus, ny Fréquence Plus ary ny Ma-TV no indray nahazo taratasy fandrahonana fanidiana na «lettre de mise en demeure» rehefa namoaka amin’ny antsipiriany ny fanambaran-dry Kolonely Charles sy ny tariny. Raha tsiahivina ihany koa dia nisy mpanao gazety iray nosamborina afak’omaly rehefa nahazo irery io fanambarana fahatelo sady farany nataon’io ekipana manamboninahitra io. Nanameloka avy hatrany ny zava-misy ny fikambanana mpanao gazety sasantsasany.
 
Teti-bola 2011: Hisokatra anio 19 novambra ary hitohy hatramin’ny 09 desambra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny Kongresin’ny tetezamita. Fivoriana natokana indrindra handinihana sy hankatoavana ny teti-bola taona 2011.
 
Manameloka : Manameloka ny fikasana handray fitondrana amin-kery ny Frantsa, araka ny nambaran’ny mpitondra teny lefitry ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay, raha nilaza ny raharaha Madagasikara.
 
Vitsy : Vitsy ny tahan’ireo olona tonga nandray anjara amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina tany amin’ny Faritra Bongolava omaly alarobia 17 Novambra. Noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana izay efa nohazavain’ny mponina tamin’ny lehiben’ny faritra no nahatonga izany ankoatra ny tsy fahazoan’izy ireo ny volavolan-dalàmpanorenana izay nandatsahana vato tamin’ny alarobia. 
 
Mandry tsy lavo loha : Mandry tsy lavo loha ny ankamaroan’ireo mponina manerana ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’i Tsiroanomandidy. Noho ny firongatry ny asan-dahalo no mahatonga izany na dia efa nisy aza ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny Ministeran’dahy.
 
Mangataka : Mangataka ny mba hiverenan’ireo mpampianatra mpikaroka hanohy ny asany ara-dalana amin’izay ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga ambony. Fangatahana roa tamin’ireo telo lehibe notakian’izy ireo mantsy araka ny fanazavan’ny mpianatra ihany no efa nivaly saingy mbola mitohy ihany ny fitokonana.
 
Doro tanety : Mihamafana ny dorotanety any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Arakaraky ny mampafampana ny toe-draharaham-pirenena eto an-drenivohitra no mahatonga izany araka ny vaovao voaray. Velarantany amina ha maromaro no lasibatra tato anatin’ny herinandro na dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra aza ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana.
 
Tsena : Mamofompofona fety sahady ny tsena eny Behoririka eny nanomboka eny nanomboka tamin’ity herinandro ity. Efa saika tazana mirantiranty eny an-toerana avokoa mantsy ireo karazana akanjo sy kiraro vita sinoa fitondra amin’ny fety ho an’ny ankizy ankoatra ireo karazana akanjo sy poketra ho an’ny vehivavy.
 
Lany : Efa nahiana hatrany am-piandohana ny mety ho vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina afak’omaly alarobia 17 Novambra manerana ny Nosy. Lany hatrany ny Eny na dia marobe aza ireo olom-pirenena feno 18 taona tsy nandray anjara. Anisan’izany ny tany amin’ny distrikan’i Sainte-Marie. Feno omaly maraina ny vokatra rehetra avy amin’ireo biraom-pifidianana manodidina.
 
Tsy milamina : Nanamafy ny fiambenana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny zandarin’ny GSIS, nanomboka omaly. Nivezivezy teny ivelany nanara-maso ny manodidina izy ireo, fihetsika misarika ny sain’ny vahiny, ary mitory ihany fa misy tsy milamina eto an-tanàna.
 
Mitarazoka : Mitarazoka ny fahazoana ny voka-pifidianana any amin’ny distrikan’Amboasary atsimo. Vao biraom-pifidianana 8 amin’ireo 332 misy monja no nahazoana vokatra hatramin’ny omaly maraina. Noho ny haratsian-dalana sy noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana no mahatonga izany ka mampatahotra ny tomponandraikitra.
 
Cameroun : Olona 5 no indray namoy ny ainy tany Cameroun afak’omaly alarobia vokatry ny fanafihan’ny sambo iray an’ny orinasa frantsay Perenco. Misokatra ny fanadihadiana mikasika ny raharaha.
 
Nangonin’i Pati sy Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT