Nohamafisina : Nohamafisina ny fiambenana ny radio nasionaly malagasy sy ny fahitalavi-panjakana taorian’ny fanambarana mifono fakana fanjakana nataona andiana manamboninahitra ambony teny amin’ny BANI Ivato omaly. Hentitra toy izany koa ny fiambenana ny Rezimanta miaramila voalohany etsy Analakely.
Nosamborina : Mpanao gazety iray ao amin’ny Groupe Prey no notanan’ny mpitandro ny filaminana, noho ny raharaha BANI, omaly hariva. Ny alina ihany anefa araka ny fantatra dia navotsotra izy rehefa nasaina nitatitra ny zava-nitranga tao.
Vitsy : Vitsy ireo olom-pirenena feno taona nandatsa-bato tao amin’ny EPP Ankaraobato, kaominina Ankaraobato omaly alarobia 17 Novambra nanatontosana ny fitsapan-kevi-bahoaka. Noho ny tsy maha-ara-dalàna ity fifidianana ity sy noho ny tahotr’izy ireo noho ny famaivain’ny toe-draharaham-pirenena no nahatonga izany araka ny fanazavan’ny mponina. Nivangongo teny anivon’ny Fokontany ny kara-pifidianana noho izany na dia efa nezahina naterina isam-baravarana aza.
Betsaka : Betsaka ireo olona tsy tonga naka ny kara-pifidianany teny anivon’ny Fokontany misy azy tany amin’ny Kaominina sy distrikan’i Tolagnaro I. Ambany dia ambany noho izany ny salam-pahavitrihana araka ny vaovao voaray. Na izany aza tontosa tamim-pilaminana ny fitsapan-kevi-bahoaka.
Tsy nahazo : Tsy nahazo nandatsa-bato omaly izay rehetra tsy nitondra kara-pifidianana ho an’ny faritra Ambohipo, Kaominina Antananarivo Renivohitra. Fanapahan-kevitra noraisin’ny lehiben’ny birao fandatsaham-bato izany, tafiditra ao anatin’ny fanarahan-dalàna faran’izay kely indrindra. Nifanohitra tamin’izay kosa anefa ny hevitry ny CENI izay nanambara fa raha voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana ilay olona nefa tsy manana kara-pifidianana dia mahazo mifidy malalaka. Nanome baiko ny handraiketana an-tsoratra ny fihetsik’ity lehiben’ny birao fandatsaham-bato ity mihitsy moa izy ireo.
Vitsy no sady nikorontana : Tsy nazoto tamin’ny fanatontosana ny fitsapana-kevi-bahoaka izay notanterahina omaly alarobia ny ankamaroan’ireo mponina tao an-drenivohitr’Ambanja. Vao 69 monja mantsy ny isan’ireo olona tonga tamin’ny 11 ora antoandro araka ny angom-baovao azo, manginy fotsiny ireo mbola nisavoritaka nandeha naka ny kara-pifidianany teny anivon’ny fokontany.
Nivarotra malalaka : Tsy niova tamin’ny mahazatra ny tsenan’Andravoahangy omaly alarobia na dia fotoanan’ny fitsapan-kevi-bahoaka natokan’ny FAT andro tsy niasana aza nefa nandraisan-karama. Tsy tao an-tsain’ny mpivarotra akory araka ny hita teny an-toerana ny handeha hifidy raha oharina amin’ny asa fitadiavam-bola.
Esorina : Mandeha ny feo fa esorina eny anivon’ireo Fokontany misy azy avy ny anaran’ireo olona feno 18 taona tsy tonga nandray anjara tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina omaly alarobia. Ambany dia ambany mantsy ny salam-pahavitrihana tamin’ny ankapobeny na ho an’ny teto an-drenivohitra izany na ho an’ireo kaominina ambanivohitra.
Karatra dimy : Mpifidy iray manana kara-pifidianana dimy. Io no hita tany amin’ny Fokontanin’Antsorobato, Kaominina sy distrikan’i Fianarantsoa II omaly. Teo an-daniny anefa olona 400 no tsy tafiditra tao anatin’ny lisi-pifidianana raha vao iray volana lasa izay no nanavaozana ny recensement. Tsy vitsy ireo nampiaka-peo sy nanakiana ny asan’ny sefo fokontany any an-toerana noho izany.
Tsy nahazo : Betsaka ireo olona tsy nahazo kara-pifidianana omaly tany amin’ny distrikan’i Mananjary nefa tonga nandray anjara tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina omaly. Niverim-potsiny ny ankamaroan’izy ireo noho izany raha nifanohitra tamin’izay kosa ny fanentanana ny rehetra mba handrotsaka ny vato Eny.
Ambany : Ambany dia ambany ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra omaly, nandritra ny fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy mbola nahatratra 10 % akory izany tamin’ny 12 ora atoandro araka ny vaovao voaray noho ireo antony maro samihafa.
Saika nisy nandoro : Saika nisy nandoro ny birao fandatsaham-bato tao ambodin’Isotry omaly alarobia tokony ho tamin’ny 10 ora atoandro. Efa voararaka ny lasantsy araka ny vaovao voaray no nisy nahita tampoka ireo olona nikasa ny hanao izany. Tsy naharitra ireo mpivarotra teo amin’ny manodidina fa nangoron’entana avy hatrany raha mbola nisy kosa ireo niandriandry nikajy ny sitrany ahay.
Tsy nampiraika : Tsy nampiraika ny olona ilay fitsapan-kevi-bahoaka notanterahiana omaly. 23% mahery, ohatra, ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy teny Anosipatrana tamin’ny ankapobeny na dia nomena fahalalahana hifidy aza ireo noheverina fa nipetraka ela ka nomena fanamarinam-ponenana dia mifidy. Maro koa anefa ireo tsy naka ny kara-pifidianany noho ny fahasahiranany; tao moa ireo tsy nahalala akory ny fisian’io fifidianana io.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.