Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 16 Novambra 2010


 

Alasafay : Ny mpitsara lasa mpikarakara tokatrano, maro no noboriboriana “vers” ny datinandro nahaterahany, ny hafa indray tsy fantatra adiresy fonenana, ao ireo tsy voasoratra tsotra izao nefa ny an’ny sasany miverimberina anaty lisi-pifidianana ny anarany. Nisy fanavaozana sy ny fanitsiana ary fanadiovana natao sa alasafay no betsaka.
 
Voaroba : Miakatra an-tanàna ny dahalo any amin’ny distrikan’i Fianarantsoa. Raha ireo kaominina ambanivohitra no tena lasibatra teo aloha dia efa mitondra faisana ihany koa ny ao an-tanàn-dehibe. Tranombarotra iray lehibe miorina ao Talatan’Ampano no norobain’ny dahalo mirongo fitaovam-piadiana ny faran’ny herinandro teo. Lasan’ireo mpanao ratsy avokoa ny entana rehetra tao anatiny niaraka tamin’ny vola.
 
Tsy faly : Tsy misy faly amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka izay hotontosaina rahampitso alarobia 17 Novambra ny mponina any amin’ny Faritra atsimon’ny Nosy. Anisan’izany ny ao an-drenivohitr’i Toliara izay nanambara ombieny ombieny fa tsy fitsapan-kevi-bahoaka aloha no mahamaika raha amin’izao fotoana fa ny fanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Araka ny fantatra mantsy dia miaka-bidy isan’andro ireo kojakoja fampiasan’ny mponina andavanandro hamidy any an-toerana tato ho ato.
 
Nozaraim-potsiny : Nozaraim-potsiny ny Tee-shirt misy soratra Eny tamin’ny alahady teny Itaosy teny. Ny mba hisarihana ireo olom-pirenena feno 18 taona handrotsaka ny vato eny no tanjona. Nisy ihany koa ny fizarana zavatra hafa, araka ny vaovao voaray.
 
Hain-trano : Nisy hain-trano nitranga tao Ambanja/Marolambo ny zoma 12 novambra teo. 139 no isan'ny trano may tamin’izany ary 770 no traboina tsy manan-kialofana. Tombanana ho 65 tapitrisa ariary ny sandan'ny fahasimbana. Na izany aza dia tsy nisy ny aina nafoy. Tsy mbola fantatra mazava ny nahatonga ny loza.
 
Vaky fasana : Ny 4 novambra lasa iny dia tonga nampandre ny zandary avy ao amin’ny Borigadin’Andranolava ny raim-pinakavina iray monina ao Ampanihy, Kaominina Ampasimatera, distrikan’i Mampikony fa nisy namaky ny fasan'izy ireo ka taolan-dava maromaro no tsy hita. Misokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ataon'ny zandary mikasika ity raharaha ity.
 
Ady amin’ny piraty : Tontosa ny faran’ny herinandro teo ilay fivoriambe niarahan’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny mpanakanto ary ireo mpandraharaha mandray ny vokatry ny mpanakanto amin’ny ady atao amin’ny piraty. Tapaka nandritra izany fa hisy ny fepetra hentitra horaisina hamaizana ireo mpanao hosoka zatra mivelona amin’ny hatsembohan’ny sasany.
 
Mitohana : Raha nahafaly ireo mpampiasa ny lalana eny amin’ny Petite Vitesse iny tamin’ny ankapobeny ny fisokafan’ny lalana miainga avy eo Soarano mipaka any Isotry dia velon-taraina noho ny fitohanan’ny fiarakodia lavareny kosa ny mpandeha. Mahatratra ora iray mantsy ny hanalan’ny fiara iray io lalana io, indrindra rehefa tsena ny andro.
 
Tsy antonona : Tsy antonona ireo mpivarotra amoron-dalana izay nampidirina ao anatin’ilay tsena vaovao namboarin’ny kaominina etsy amin’ny Petite Vitesse araka ny feo mandeha ilay fotodrafitrasa vaovao vao natsangana. Maro ireo mpivarotra no velon-taraina noho izany izay marihina fa mbola mameno ny sisin-dalana ny ankamaroany.
 
Tsy hita tabilao : 320 amin’ireo mpifidy 1200 mahery ihany no voasoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy ao amin’ny Fokontany Ambatonakanga, Ambohijatovo. Araka ny vaovao dia misy fianakaviana iray manontolo tsy hita tabilao anatin’izany lisi-pifidianana izany.
 
KMFB : “Fanentanana ny olona tsy hifidy”, ireo no tanjona ho an’ny KMFB. Nisy ny diabe fanentanana nianga teny Alakamisy Fenoarivo. Ny isam-pokontany no nentanina tamin’izany, tsy handeha hifidy. Ankoatra an’Alakamisy dia nisy hetsika ihany koa teny Fenoarivo sy Anosizato Andrefana. Araka ny fanazavana dia tsy ho sakana ho an’ny Kmfb hanehoany ny heviny ny fandrahonana ataon’ny FAT.
 
Mikatona : Oniversite maty ny oniversiten’Antananarivo hatry ny omaly sy amin’ity anio ity. Mikatona avokoa ny birao rehetra eny an-toerana, araka ny fanapahan-kevitry ny Seces.
 
Jirama : Manahy ny mety tsy ho fahampian’ny famatsian-drano ny Jirama. Izany dia noho ny tsy fahampian’ny orana eto amintsika.
 
Nangonin’i Pati sy Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT