Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 11 Novambra 2010


Tsy mitovy hevitra : tsikaritry ny olona teny Ankadifotsy nanakaiky ny Office du Bac fa nisy tsy nitovy hevitra ireo mpitandro ny filaminana nanala ireo sakana tamin’ny arabe ; ary nisy tamin’izy ireo no ren’ny olona nilaza hoe «  tsy mamomno olona fotsiny isika dia izay no izy . » 

Baomba anaty fiara : nandritra ny savorovoro teny Soarano sy Behoririka omaly dia nifanesisesy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso nataon’ny Emmo Reg, ka nisy tamin’izany baomba izany no tafiditra tao anatina fiara teo akaikin’ny building Ramaroson,fiara lehibe mpitondra entana izy io. Avotra soamantsara ihany anefa fa tsy nirehatra ilay fiara.
 
Lasibatra ny karana : fiarana teratany karana avokoa ireo 2 may kilan’ny afo teny Behoririka sy Antanimena omaly nandritra ny savorovoro nitranga tamin’iny manodidina iny.
 
Masomboly : nahazo masomboly vary akotry 500 kg sy katsaka 200 kg avy any amin’ny Faritra Bongolava ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Afaka omaly talata no nanolorana tamim-pomba ôfisialy ny fanomezana hahafahana mampitombo sy manatsara hatrany ny vokatra miakatra.
 
Lycée teknika : nahazo lycée teknika vaovao ny any amin’ny distrikan’Ihosy. Hisokatra amin’ity taom-pianarana 2010-2011 ity ny sekoly araka ny fampanantenana nataon’ny lehiben’ny Faritra. Nisy ny fanoloran’ity tompon’andraikim-panjakana ity fampitaovana toy ny dabilio sy ny solaitra be ho an’ny sekoly nandritra izany.
 
Ady amin’ny habadoana : miatrika fiofanana amin’ny ady hatao amin’ny habadoana ireo mpampianatra olon-dehibe tsy mahay mamaky teny sy manoratra any amin’ny distrikan’i Sainte Marie. Haharitra 12 andro izany, vatsian’ny PPRR vola.
 
Foto-drafitrasa : hahazo CEG vaovao ny amin’ny distrikan’Andramasina. Nandritra ny fanoloran’ny malala-tanana ireo fampitaovana ho an’ny lycée ao Alatsinainy Bakaro no nahafantarana izany, omaly, alarobia ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana.
 
Feno 30 taona : mankalaza ny faha-30 taona niorenany ny CEG ao amin’ny kaominina ambanivohitra Sandrasaky, distrikan’i Mananara Avaratra. Afaka omaly talata no nanokafana tamim-pomba ôfisialy ny fankalazana, notarihin’ny DREN Analanjirofo.
 
Propagandy : raikitra ny propagandy any amin’ny distrikan’i Farafangana. Fanentanana ny olona mba hifidy ny vato ENY no tena tanjona tian-ko ho kinendry raha hakapoka, hiarahana amin’ny ministeran’ny asa sy ny lalàna ary ny asam-panjakana. Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Tanambao Tsarafara no nanohizan’izy ireo ny fitsidiham-paritra notontosainy omaly alarobia. 
 
Karohina : Karohin’ny mpitandro ny filaminana fatratra i Soafanjo, ilay mpangalatr’omby gaigilahy hikoizana any amin’ny distrikan’i Soalala. Any Analalava ny tovolahy no monina araka ny vaovao izay marihina fa anisan’ireo zanak’olona manana ny maha-izy azy.
 
Mpanamboatra basy : Voasambotry ny polisin’ny service anti-gang tao Ampasampito i Victorien ilay tovolahy iray mpanamboatra basy vita gasy hikoizana. Basy PA marika MAT mirefy 7,65 mm misy bala telo no sarona tany aminy ankoatra ny basy PA vita gasy sy kojakoja fanamboarana basy sarona tao an-tokantranony tao Tsarahonenana niaraka tamin’ny rahalahiny. Olona mpanao aferam-basy moa no nahenoan’ny polisy ny lazan’izy mirahalahy ireto.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT