Vonona : Vonona ny hanohana ny ankolafy telo ny fikambanana tarihin’i Victor Lalao, filohan’ny koperativa Komafila 148. Manana mpikambana hatrany amin’ny 3.500 ity fikambanana iray ity, araka ny fantatra, fanta-daza amin’ny asa fanaovan-tsoa, indrindra ny fanohanana ireo olona tsy an’asa vokatry ny krizy politika niseho teto amin’ny firenena.
Tsy ampy fitaovana : Manana olana sahady amin’ny fanomanana ny fiatrehana ny fitsapan-kevi-bahoaka izay hotontosaina ny 20 Novambra ho avy ireo mpikambana eo anivon’ny CENI any amin’ny distrikan’i Mananjary. Anisan’izany ny fitaovana hoenti-miasa ankoatra ny vola hoenti-mihetsika.
Coach : Ampiharin’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana ny fametrahana minisitra coach isaky ny faritra, fanaon’ny fitondrana teo aloha; samy manana ny faritra sahaniny amin’ny fanentanana hifidy sy ny fampielezan-kevitra hampandaniana ny Eny, arak’izany, ireo mpikambana ao amin’ny governemanta Vital.
Vatican : Araka ny filazan’ireo olona akaiky azy dia nampanantsoin’ny Papa Ray Masina Benoit 16 hihaona aminy any Vatican ny profesora Raymond Ranjeva. Tsy misy mahalala izay mety ho votoatin’ny fihaonana kosa anefa.
Volkano : Niverenan’ny rambon’ilay Volkano Merapi nipoaka ny faran’ny herinandro teo ireo olona an’arivony monina ao amin’ny Nosy Java ao Indonesie omaly alakamisy maraina. Tsy mbola fantatra mazava izay anton’izao fiverenan’ny rambon’ity volkano ity izao.
Mitohy : Mitohy ny propagandin’ny ministry ny FAT any amin’ireo faritra maro manerana ny Nosy. Ho an’ny ministry ny Raharaham-bahiny manokana dia any amin’ny distrikan’i Sainte-Marie no nisy azy hatramin’ny alarobia lasa teo nanentana ny olona hifidy amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka hotontosaina ny 20 Novambra ho avy io.
Mitohy : Mitohy ny fanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza any amin’ny distrikan’Antsiranana I. Laharam-pahamehana amin’izany ireo sekoly tsy nandray anjara tamin’ny fizarana vitamina A sy ody kankana ho an’ny mpianatra. Eo ihany koa ny fijerena akaiky ireo mponina any amin’ny faritra lavitra andriana tsy afaka nanatona tobim-pitsaboana.
Propagandy : Mafotaka ny fanaovan’ny FAT propagandy any amin’ny Faritra tato ho ato. Kaominina ambanivohitra telo any amin’ny distrikan’i Vatomandry no voatetin’ny Ministry ny fahasalamana notronin’ireo delegasiona notarihiny afak’omaly alarobia. Nibahan-toerana nandritra izany ny fanazavana mikasika ny volavolan-dalàmpanorenana vaovao sy ny bileta tokana.
Kolontsaina : Tafatsangana any amin’ny distrikan’i Farafangana ny 03 Novambra lasa teo ny federasionan’ny komitin’ny ampanjaka eto Madagasikara. Federasiona iray izay heverin’ny rehetra fa hamerina amin’ny laoniny ny hasin’ny fomban-drazana Malagasy izay notsipihiny fa efa zary adinodinon’ny sasany noho ireo antony maro samihafa.
Foire de l’Egypte : Nisokatra tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ary haharitra folo andro ilay “foire de l’Egypte” taona 2010. Hetsika iray entina hanehoana ireo karazana kojakoja sy haingon-trano ary fanaka vita avy any Egypte hanasana ny mpanjifa eto an-drenivohitra rehetra.
Mitety faritra : Manohy hatrany ny fitetezam-paritra ataony i Monja Roindefo sy ireo mpanara-dia azy, Fianarantsoa sy Toliara indray no dingana manaraka. Tsy manaiky ny hanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra moa ity praiminisitra teo aloha ity ary mitaky ny hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena sy ny fihaonambem-pirenena tena izy handraisan’ny ankolafy politika rehetra anjara.
Mpifidy : 7 051 809 no isan’ireo voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana nohavaozina araka ny fanambaran’ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana ary mahatratra 18 171 ireo birao fandatsaham-bato manerana an’i Madagasikara.
Nangonin’i Pati sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.