Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 29 Oktobra 2010


GTDR : Nanao tomban’ezaka mikasika ny asa vita sy ny fiatrehana ny ho avy ireo sampandraharaha miankina amin’ny fanjakana miara-miasa amin’ny GTDR any amin’ny distrikan’i Maroatsetra ho fampiroboroboana ny tontoloambanivohitra. Ny tanjona moa dia ny mba hahafahana manatsara hatrany ny asa sahanin’ny GTDR izay marihina fa hankalaza ny faha-30 taona niorenany amin’ity faran’ny taona ity.

Hijery : Tonga eto Madagasikara ny delegasiona avy amin’ny fikambanana «Madagascar Développement Plus» izay notarihin’i Michel Lejeune, Depiote sady Ben’ny tanàna any Seine Maritime Frantsa. Anton-diany eto ny fijerena ny zava-misy ankoatr’izay, ny fanamafisana fiaraha-miasa amin’ny Malagasy; amin’ny alalan’ny fanomezana aina vao ireo fiaraha-miasa efa nisy sy ny mbola hotanterahina eny anivon’ny faritra sy ny kaominina.
Jeneraly : Anio hariva no fotoana ifanomezana amin’ny tarika Jeneraly, etsy amin’ny espace Mon Goûter Andrefan’ambohijanahary. Hiendrika “cabaret-concert” ity fampisehoana ity ary ny Génération Event no mikarakara azy. Hira maro nahafantarana ity tarika ity hatramin’izay sy hira vitsivitsy tsy mbola fandre firy no hokaloina ao.
Milamina : Nilamina ny fanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza izay notontosaina tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Tratra ny tanjona tamin’ny ankapobeny na dia vato misakana nampanahy mafy ireo tomponandraikitra aza ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. CSB 15 isa no nandray ny hetsika, ekipa mitety vohitra 31 no indray nohetsehina raha ankizy 1918 isa kosa no ezahina ho vita vaksiny faobe fanefitry ny kitrotro..
Mitohy : Mitohy ny sakan-dalana ataon’ireo fikambanan’ny tanora Fagnomba tohanan’ny mpanjono sy ny fokonolona ao Ehoala, distrikan’i Tolagnaro. Ho fanoherana ireo heverin’izay ireo fa tsy mety hataon’ny orinasa QMM ihany no anton’izany. Tsiahivina fa nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo no nisian’ity sakana ity. Tsy mbola fantatra izay mety ho tohin’ny raharaha.
Hery Rafalimanana : Araka ny vaovao miely etsy sy eroa dia hiverian eo amin’ny sehatra politika ny Pds teo aloha. Araka ny fantatra dia mety ho anisan’ireo hirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna ny tenany ka na eto an-drenivohitra na eny Ambohimalaza Miray.
AMF/3FM : Raha tsy mivoaka ireo gadra politika, ary raha tsy tafody an-tanindrazana ireo filoha roalahy ka tsy hiara-manomana ny fanatanterahana ny “référendum” sy izay fifidianana rehetra eo dia tsy ho tanteraka no hampitombo ny krizy, hoy ity antokon’ny rév. Ndriamanampy.
Toetr’andro : Rivodoza efatra eo ho eo no mety hahakasika an’i Madagasikara amin’ity fahavaratra ity. Ny roa amin’ireo dia ho henjankenjana, araka ny vaovao. Ahiana àry ny mety hisiana tondra-drano any amin’ny volana janoary 2011 any, araka ny fanazavana.
Vakinankaratra: Nisokatra omaly ka hatramin’ny 30 oktobra ny andiany faha-13 amin’ny “vitrine du Vakinankaratra’. Eo Anoloan’ny garan’Antsirabe no hanaovana izany. Miompana indrindra amin’ny hoe “ny fisokafana, ampinga iray amin’ny fiharian-karena”, raha adika tsotsotra ny lohahevitra amin’izany.
Tantsoroka : Mpianatra Malagasy 180 000, avy amina fari-piadidiam-pampianarana 11 amina faritra telo amin’iny tapany atsimon’ny nosy iny no hahazo sakafo isan’andro eo anivon’ireo “Cantine scolaire”. Tantsoroka avy amin’ny fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny sakafo na ny PAM no hiandraikitra izany amin’izao telovolana voalohany izao.
Tsy mahita rirany : Tsy mahita rirary no sady mahatsiaro menatra ireo fiara mitondra olona mandehandeha manao propagandin’ny ENY eto an-drenivohitra. Mahazo vava ratsy hatrany mantsy izy ireny manerana ireo toerana izay lalovany. Voatora-bato mihitsy aza indraindray.
Tsy mety voavaha : Raha efa somary nilamindamina dia vao mainka mampikolay ny mpandeha sy ny mpitondra fiara indray ny fitohanan’ny fiarakodia eny amin’iny faritra Andohatapenaka mihazo an’Ampasika iny isan-kariva. Ora iray no hanalan’ny fiara iray ny lalana 50 metatra koa hanairana ny tomponandraikitra.
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT