Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 26 Oktobra 2010


Zokiolona : Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona izay nomarihina ny fiandohan’ny volana Oktobra lasa teo ny tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe ny sabotsy 23 oktobra lasa teo. Fizarana fanomezana ho an’ireo zokiolona 60 taona no mihoatra narahin’ny fijerena akaiky ny manahirana azy ireo no niompanan’ny lanonana, natrehin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana.

Bekotro maroholatra : Hatramin’izao tsy mbola voaray ny vola fanampiana telo volana fahatelo ho an’ireo bekotro maroholatra na ireo akanga sisa nanamborana tamin’ny MDRM. Raha ny tokony ho izy dia ny volana Septambra teo no fandraisana izany. Araka ny tsiliantsofina anefa dia ny tapaky ny novambara vao hisy izany. Mahonena ny mahita ireo beantitra tonga manontany izany ao amin’ny foibeny etsy Analakely RMI.
Maro sosona : Maro sosona ny hetsika hotontosaina any amin’ny distrikan’Ampanihy andrefana izay hifanindran-dalana amin’ny fanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza izay nanomboka omaly alatsinainy. Ankoatra ny fanaraha-maso sy fitsaboana maimaimpoana ireo Reny mitondra vohoka sy ireo zaza latsaky ny dimy taona mantsy dia hisy ihany koa ny fitiliana ireo zaza tsy ampy sakafo any an-toerana araka ny vaovao azo.
Niverina ihany : Niverina amin’ny laoniny ihany ny famatsiana herinaratra any amin’ny distrikan’Ampanihy andrefana taorian’ny niainan’ny mponina ny delestazy nandritra ny herinandro mahery. Nanomboka omaly no niverenan’izany izay nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny fisokafan’ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza.
Fitsidihana : Tany amin’ny distrikan’i Vatomandry indray ny faran’ny herinandro teo no nanohizan’ny Ministry ny fahasalamana ny fitsidiham-paritra nataony tany amin’ny Faritra atsinanana. Ankoatra ny fihaonany mivantana tamin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny sy ny vahoaka dia nisy ihany koa ny fitsidihany ireo hopitaly sasantsasany izay nambarany fa hasiam-panamboarana hanamaivana ny fahasahiranan’ny mponina.
Famatsiana ara-bola : 40 tapitrisa ariary no hanohanana sy hamatsiana ara-bola ny kilasy ASAMA miisa 8. Manana mpianatra 25 ka hatramin’ny 30 tsirairay ireo kilasy ireo. Saram-pisoratana anarana, kojakoja entina any an-tsekoly. Vita sonia omaly ny fifanarahana teo amin’ny Bfv sy ny Pnud. 
Nirotsaka ihany : Nirotsaka ihany ny ranon’orana tany amin’ny distrikan’Ambovombe Androy taorian’ny hain-tany nianjady tamin’ny mponina. Eo an-daniny anefa dia tafakatra 400 Ar kosa ny iray kapoaka amin’ny fotsimbary ka mampitaraina ny mponina.
 
Lozam-piarakodia : Nisehoana lozam-piarakodia tany Ankazobe afak’omaly. Fiara mpitatitra iray hiakatra aty an-drenivohitra no tra-doza. Araka ny loharanom-baovao dia nisy olana teo amin’ny tsindrihisatr’ity ity fiara ity ka nidona tamin’ny rindrin-tany. Potika tanteraka ilay fiara ary ireo olona tao anatiny kosa dia naratra avokoa. Ny 20 naratra ka nampidirina hopitaly any Ankazobe. 4 kosa ireo naratra mafy ka nentina avy hatrany eny amin’ny hopitaly Hjra Ampefiloha. Ny iray no nanary aina teny an-dalana hitondrana azy eny amin’ny hopitaly.
Fihaonana : Notanterahana ny alatsinainy 25 oktobra 2010 tao amin’ny lampam-panjakana Ambohitsorohitra ny fihaonana voalohany teo amin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita Andry Nirina Rajoelina sy ireo mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita notarihan’ny Filohany, ny Jeneraly Rasolosoa Dolin. Voaresaka tamin’izany fihaonana izany koa ny momba ny fitsapan-kevi-bahoaka izay hotanterahina ny 17 novambra 2010 ho avy.
 
Mirongatra : Mirongatra ny halatra taolam-paty any amin’ny distrikan’i Boriziny Vaovao. Voakasik’izany manokana ny any amin’ny tapany atsimo atsinanana toy ny kaominina ambanivohitra Amparibe. Fasana maromaro no vaky ny faran’ny herinandro teo izay nahaverezana taolam-paty maromaro.
 
Ho avy : “Raha mbola hiziriziry ny FAT dia tsy hila fifidianana akory Ravalomanana fa dia izy no ho filoha”, hoy i Zafilahy Stanilas tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly. Nohamafisiny fa dia ‘ho avy mialoha ny tsingerintaona nahaterany avy ireo filoha roalahy, Ratsiraka sy Ravalomanana koa asakasak’ireo mbola hiara-dia amin’ny FAT”, hoy ihany izy.
Tratra : Dahalo raindahiny telo no tratra am-bodiomby teo am-pitondrana ireo omby telo noroahin’ny tompony nanoloana ny lalana hihazo an’i Morafenobe, any amin’ny Faritra Melaky ny faran’ny herinandro teo. Tsy niandry ela fa teo no ho eo ihany dia nampandre ny mpitandro ny filaminana ny tompon’ny omby ka noraisim-potsiny ireo mpanao ratsy. Tafaverina soa aman-tsara amin’ny tompony ihany koa ny omby.
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT